Gisa

Avy amin'i Wikipedia
Gisa

Ny gisa dia voron-drano lehibe noho ny ganagana na ny dokotra, izay iray karazana aminy, fisa-bava, manana rantsan-tongotra efatra ka ny telo aloha atambatry ny hoditra mitapelaka ahafahany milomano tsara, fa ny iray afara misaraka amin'ireo telo ireo. Maro karazana ny gisa ka ny sasany fiompy fa ny sasany hafa dia gisadia sady mpifindra monina. Vorona mpihinana ahirta ny gisa ka misy ireo izay mpanimba voly. Isan-karazany ny lokon'ny gisa ka misy ireo fotsy ranoray sy ireo volondavenona.

Gisa

Ohabolana malagasy momba ny gisa[hanova | hanova ny fango]

  • Gisalahy homan-ketsa ka izy mangalatra indray no avo feo.
  • Gisalahy amoron' ony ka ny sisa tsy maty mihiaka.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]