Ganagana

Avy amin'i Wikipedia
Ganagana maitso vozona
Ganagana fotsy
Ganagana

Ny ganagana dia voron-drano ompiana, fisa-bava sady mitovy endrika amin' ny hoho mifaingoka ny tendrom-bavany ambony. Ompian' ny olona mba noho ny henany sy ny atodiny. Mifanakaiky endrika amin' ny gisa ny ganagana fa ny gisa lava tenda sady lehibe kokoa. Maro karazana ny ganagana ka ny sasany fiompy ary ny sasany ganagana dia. Karazan-ganagana ny dokotra izay maro karazana koa. Ny tena fantatry ny Malagasy ho ganagana dia ny karazan-ganagana fiompy.

Maro karazany ny ganagana fiompy, ka anisan' izy ireo ny ganagana maitso vozona (Anas platyrhynchos) sy ny dokotra fiompy (Cairina moschata domesticata) ary ny sarindokotra.

Ohabolana malagasy momba ny ganagana[hanova | hanova ny fango]

  • Ganagana
    Tsy mba akanga hanidina aho, fa ny ganagana raisina amin' ny tendany.
  • Aza manao ganaganalahy, ka ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
  • Ganagana misasa loha ka samy manao ny saim-pantany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]