Foza (antokon-kintana)

Avy amin'i Wikipedia
Antokon-kintan'ny Foza

Ny Foza dia antokon-kintan' ny zôdiaka andalovan' ny masoandro amin' ny 20 Jolay hatramin'ny 10 Aogositra. Eo andrefany no misy ny Kambana fa eo antsinanany kosa ny Liona.

Avy amin' ny teny arabo dia atao hoe اسرطان / As-Saratan na As-Sartan ("foza") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy volana hoe Asorotany na Asaratà na Saratà. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy ary amin'ny teny frantsay hoe Cancer. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Καρκίνος / Karkinos. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Saratani io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Sartan na Ketam ihany koa izy.

Andalovan'ny masoandro amin'ny 22 Jona hatramin'ny 22 Jolay ny evan'ny zôdiaka Foza mitovy anarana aminy izay ampiasaina amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana.

Antokon-kintan'ny Foza

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: