Fitsaboana nentim-paharazana

Avy amin'i Wikipedia
Antananarivo

Ny fitsaboana nentim-pharazana dia ireo fanao sy fomba fiasa ary ny fahalalana amam-pinoana momba ny fahasalamana ampiasana singa avy amin'ny zavamanana aina (zavamaniry na biby) sy singa avy amin'ny zavatra tsy manana aina (vato, tany, rano, sns) ary fanao ara-pivavahana, ampiasana tanana (fanorana, sns) mba hisakanana na hamantarana na hanasitranana sy hitandroana ny fahasalamana, ka voakasika amin'izany na ny vatana (aretina, ratra, vay, sns) na ny fanahy.

Maro ny firenena ao Afrika sy Azia sy Ôseania ary Amerika Latina izay ahitana ny fitsaboana nentim-paharazana. Ny ao Afrika dia ny 80 %n'ny mponina dia mila an'io fitsaboana io mba hitsaboany noho ny tsy fahampiana sy ny fahalafosan'ny fitsaboana môderna. Any Sina dia ny 30 hatramin'ny 50 %n'ny zavatra itsaboana ara-pomban-drazana dia avy amin'ny zavamaniry.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]