Fiteny tsy fantatra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tsy fantatra na teny tsy fantatra dia fitenenana na fivavaka amin' ny feo mafy amin' ny fiteny mitovy endrika amin' ny fiteny vahiny, tsy fantatr' ilay olona miteny, na teneniny amin' ny fampitohizana vaninteny tsy azon' ny olona. Ahitana fiteny tsy fantatra ny fivavahana kristiana sy ny tromba ary ny spiritisma.

Ho an' ny Kristiana ny fiteny tsy fantatra dia isan' ireo fanomezam-pahasoavan' ny Fanahy Masina, dia ny fitenenana amin' ny fiteny maro misy tokoa, izany dia hita ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa. 2.6 sy ny manaraka). Voaresaka ihany koa ny hoe "fitenin' ny anjely" (fiteny tsy fantatra marina). Ny apôstôly Paoly dia nanantitrantitra ny fandikan-teny ao amin' ny Epistily voalohany ho an' ny Kôrintiana (1Kor. 14).

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]