Fiteny semitika atsinanana

Avy amin'i Wikipedia
Fiteny semitika

Ny fiteny semitika atsinanana dia sampan'ny fiteny semitika izay tsy ahitana afa-tsy ny fiteny akadiana sy fiteny siriana ary fiteny babiloniana, ka ny roa farany dia fitenim-paritry ny fiteny akadiana.

Fantatra noho ny fisiana soratra tamin'ny taona 3000 tal. JK. avy any Mesopotamia ny fiteny akadiana tao amin'ny ampahany amin'i Iràka. Ny fiteny akadiana no nisolo ny fiteny someriana. Voasoratra tamin'ny fiteny akadiana ny lahatsoratra Enuma Elish sy ny Tononkalon'i Gilgamesh.

Ny fiteny asiriana dia tao amin'ny tapany avaratr'i Mesopotamia fa ny fiteny babiloniana kosa tao atsimo. Ny farao Amenofisy IV (izay atao hoe koa Akenatona) dia nampiasa io fiteny io rehefa mifandray amin'ireo solontenany any Kanaana sy Siria araka izay hita ao amin'ny Taratasin'i Amarna izay voasoratra tamin'ny taonjato faha-14 tal. J.K.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]