Fiteny makoa

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny makoa dia fiteny banto izay tetenin' ny olona ao Môzambika sy ao Tanzania ary ao amin' ny Repoblikan' i Kôngô (ao amin' ny distrikan' i Makoa ao amin' ny Faritry ny Lembalemba sy ny manodidina azy). Olona mihoatra ny 4 000 000 no miteny makoa. Telo ny sampana lehiben' io fiteny io, dia ireto:

  • ny fiteny sirima (izay tenenin' ny olona 620 000 eo ho eo ao Môzambika ao amin' ny faritanin' i Niassa);
  • ny fiteny kôty (izay tenenin' ny olona 78 000 eo ho eo ao Môzambika indrindra manodidina an' i Angoche ao amin' ny faritanin' i Nampula);
  • ny fiteny lômoe (izay tenenin' ny olona 1 500 000 eo ho eo ao Môzambika ao amin' ny faritanin' i Zambezia sy ny tapany atsimon' ny faritanin' i Nampula).

Marihina fa ny tanànan' i Makoa dia tsy ao Môzambika fa ao amin' ny Repoblikan' i Kôngô, any amin' ny 600 km miala an' i Brazzaville.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]