Fiteny goarany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny goarany dia fiteny amerindiana ao amin' ny fianakaviam-piteny topy-goarany izay tenenina ao Paragoay maha fiteny ofisialy azy miaraka amin' ny fiteny espaniôla. Tenenina ao amin' ny tapany avaratr' i Arjentina, ao amin' ny tapany andrefan' i Bôlivia ary ao amin' ny tapany avaratra-atsinananan' i Brezila. Miisa 5 tapitrisa any ho any ny olona miteny goarany.