Fiteny C

Avy amin'i Wikipedia
  

Ny fiteny C dia fiteny soratana hanamboarana ny rindrankajy noforonina tamin'ny taona 1970 miaraka amin'ny Unix, ny C no fiteny ampiasaina indrindra tamin'izany fotoana izany. Misy fiteny maromaro maoderina kokoa noforonina toy ny C++, ny Java sy ny PHP, mandika ny endrik'i C.

Lazaina hoe « ambany lenta » (bas niveau) ny fiteny C satria namboarina hikirakirana tenin'ny milina. Manolotra karazana manontolo (entier) sy mihafo (flottant) izy, miady amin'ny karazana zakan'ny mpikajy. Mampiasa mafy ny adiresy tahiry (memoire) miaraka amin'ny hevitra fanamarihana izy. Manana hevitra orina, fa tsy manolotra asa hikirakirana ny zavatra manana lenta avo (rakitra informatika, rojo-tsoratra, lisitra...).

Fango[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny compilation sarahana, ny fango dia apetraka anaty karazan-drakitra roa samihafa :

  • ny .c dia misy implementation'ny tao
  • ny .h (header) dia misy ny prôtôtipan'ny tao.

Rafi-pehezanteny[hanova | hanova ny fango]

Natao mba ho fohy ny rafi-pehezantenin'i C. Nampitahaina tamin'ny fiteny Pascal, fiteny anamboarana rindrankajy noforonina tamin'ny taona 70. Io ny tao fananovanana :

/* Amin'ny C (norma ISO) */
int factorielle(int n)
{
	if (n > 1) return n * factorielle(n - 1);
	else return 1;
}
{ amin'ny Pascal }
function factorielle(n: integer) : integer
begin
	if n > 1 then factorielle := n * factorielle(n - 1)
	else factorielle := 1
end.

Hita fa mampiasa fononteny sy farango lava ny C rehefa mampiasa ny tao function, begin, end et then ny Pascal.

Hello World[hanova | hanova ny fango]

Rindrankajy Hello world natolotra ho ohatra tamin'ny 1978 tanaty C Programming Language nataon'i Brian W. Kernighan sy Dennis M. Ritchie :

main()
{
    printf("hello, world\n");
}

Le même programme, conformément à la norme ISO :

#include <stdio.h>
 
int main(void)
{
    printf("hello, world\n");
    return 0;
}

Hatr'izay, mamorona rindrankajy mampiseho Hello World dia ohatra mba hanolotra ny fototry ny fiteny vaovao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.