Fifadian-kanina

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifadian-kanina dia tsy fanendrena sakafo an-tsitrapo na tsia, izay mety tsy misy fisotroana zavapisotro koa. Ny fifadian-kanina ampahany dia fahita ao amin'ny fomban'ny fivavahana sasany (karemy ao amin'ny kristianisma, ramadany ao amin'ny finoana silamo, sns). Amin'ny fomba fijery ara-tsiansa dia manomboka eo amin'ny fahaenina ora aorian'ny sakafo farany ny fifadian-kanina. Maro ireo fanandramana natao amin'ny izay mampiseho fa ny fampihenany sakafo hanina tsy tafahoatra loatra dia manalava ny andro iainan'ny karazam-biby maro toy ny totozy sy ny voalavo ary ny rajako malata. Raha tanteraha anaty fe-potoana fohy ny fifadian-kanina mitsitapatapaka dia ahafahana mampihana ny lanja sy ny tavy.