Fiendrika añanovana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiendrika añanovana na fitodika mpamari-toe-javatra dia fiendrika na fitodika hita ao amin' ny fiteny malagasy araka ny fitsipiteny sy ny haiteny malagasy. Fiendrika fahatelo manaraka ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina izy. Ny fitsipiteny malagasy tranainy sasany dia tsy mahalala ny fisian' io fiendrika io fa mampiditra izay tokony ho isany ao amin' ny fiendrika anoina.

Ny fiendrika añanovana ao amin' ny fiteny malagasy[hanova | hanova ny fango]

Ny fiendrika añanovana araka ny fitsipiteny tranainy[hanova | hanova ny fango]

Ny fitsipiteny tranainy sasany dia tsy miresaka ny amin' ny fiendrika añanovana. Ao amin' ny fitsipiteny tranainy izay miresaka azy dia fiendrika mahaleo tena sady mifameno sy mifamaly amin' ny fiendrika mañano sy ny fiendrika anoina ny fiendrika añanovana ao amin' ny fiteny malagasy.

Ny fiendrika añanovana araka ny haiteny ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe fiendrika añanovana sy ny hoe fitodika mpamari-toe-javatra dia tsy manondro zavatra mitovy tanteraka. Mety ho endrika mifandraika amin' ny fitodika toe-javatra na ny fitodika zoina ny fiendrika añanovana, arakaraka ny firehan' ny haiteny anaovana ny fanadihadiana.

Fiendrika añanovana araka ny haiteny ara-piofohana[hanova | hanova ny fango]

Ho an' ny mpahay teny ara-piofohana dia mety hanana hevitra mifandray amin' ny fitodika toe-javatra na amin' ny fitodika zoina ny fiendrika añanovana.

1. Fitodika zoina

  • Fitodika zoina fitaovana: Ikapohan' ny ankizy ny omby ny kibay
  • Fitodika zoina alalana: Anenjehan' ny olona lambo ny alika.
  • Fitodika zoina toerana: Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Fitodika zoina tolorana: Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

2. Fitodika toe-javatra

  • Fitodika toe-javatra fotoana: Isakafoanana matetika ny antoandro.
  • Fitodika toe-javatra toerana: Ananangonany ahitra ny any an-tsaha.
  • Fitodika toe-javatra fomba: An-katezerana no namaliany ny fanontaniako.
  • Fitodika toe-javatra antony: Ahazoana entana maro ny fihenam-bidy.

Fitodika toe-javatra ao amin' ny haiteny araka anjara asa[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny haiteny araka anjara asa kosa dia tsy misy ny fanavahana ny fiendrika amin' ny fitodika ka amin' ny ankapobeny ny fiendrika añanovana dia ny fitodika mpamari-toe-javatra ihany, noho ny haiteny araka anjara asa manankina ny fanadihadiany amin' ny endriky ny matoenteny sy ny tsirinteny ary ny isan' ny vaniny ao amin' ny fehezanteny kely indrindra.

Ohatra:

  • Anenjehan' ny olona lambo ny alika.
  • Ijanonan' ny fiara ny eo amoron-dalana.
  • Ivarotan-janako ny fiara ilay mpanan-karena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]