Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa Siriaka na Patriarkata Ôrtôdôksa Siriakan' i Antiôkia sy ny Atsinanana Manontolo dia isan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana (Fiangonan' ny Kônsily Telo) izay manana ny renivohiny ao Antiôkia sady lazain' ny lovantsofina fa naorin' i Petera sy i Paoly tamin' ny taonjato voalohany. Ny fiteny siriaka no fiteny ôfisialy amin' ny fanompoam-pivavahana sady iraisany amin' ny kristianisma siriaka. Ahitana io fiangonana io ny any Siria, any Iràka, any Israely, any Libàna, any Torkia ary any Egipta. Ahitana azy koa ny any Eorôpa, any Amerika, any Aostralia ary any Zelanda Vaovao. Misy an' io karazam-piangonana io koa ny any India nefa tsy miankina amin' ny Fiangonan' i Antiôkia.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]