Ekinôksa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ekinoksa)

Ny ekinôksa dia fotona ao amin' ny taona izay amakivakian' ny masoandro ny velarana foronin' ny fehiben-tany ao amin' ny habakabaka ka mahatonga ny masoandro hoatry ny mifindra avy amin' ny ila-bolantany atsimo mankamin' ny ila-bolantany avaratra na ny mifamadika amin' izany. Amin' ny fotoan' ny ekinôksa no mampitovy ny halavan' ny andro amin' ny halavan' ny alina, araka ny fahalalan' ny olona niaina talohan' ny vanimpotoana nampandroso ny siansa. Ny teny hoe ekinôksa dia avy amin' ny teny frantsay hoe equinoxe, izay avy amin' ny teny latina hoe æquinoctium, ka ny hoe æqui- dia avy amin' ny teny latina hoe æquus dia midika hoe "mira" fa ny -noctium kosa dia avy amin' ny teny latina hoe nox, noctis izay midika hoe "alina".

Misy roa karazana ny ekinôksa, dia ny ekinôksa amin' ny lohataona sy ny ekinôksa amin' ny fararano. Ny ekinôksa amin' ny fararano dia mitranga amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) any amin' ny ila-bolantany avaratra, fa amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) kosa aty amin' ny ila-bolantany atsimo. Ny ekinôksa amin' ny lohataona dia mitranga amin' ny volana Septambra (miovaova eo anelanelan' ny 21 sy 24 Septambra) any amin' ny ila-boloantany avaratra, fa amin' ny volana Marsa (miovaova eo anelanelan' ny 19 sy 21 Marsa) kosa any amin' ny ila-bolantany atsimo.