Diôfizisma

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Diofizisma)

Ny diôfizisma na diôfizitisma dia fampianarana kristôlôjika noraisin' ny kônsily ekiomenika fahefatra, dia ny Kônsily tao Kalkedôna tamin' ny taona 451, izay manambara ny maha tokana an' i Kristy manana natiora roa tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka.

Fiforonan-teny[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe diôfizisma na diôfizitisma dia avy amin' ny teny grika hoe δυοφυσιτισμός / duofusitismos izay azo rasaina amin' ny teny hoe δυο / duo (midika hoe "roa") sy ny hoe φύσις / phusis ("natiora").

Tantaran' ny diôfizisma[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ireo taona nanaraka ny Kônsily tao Kalkedôna dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitr' io kônsily io sady nisaraka tamin' ny "ôrtôdôksia" (fampianaram-pinoana ôfisialin' ny Fiangonana) ny Fiangonan' i Antiôkia sy ny an' i Aleksandria ary ny an' i Armenia izay natao hoe "mônôfizita" nefa raha ny tena marina dia nitory ny "miafizisma" (natiora tokan' i Kristy, izay sady Andriamanitra no olombelona: Kristy iray manana natiora roa).

Foto-pampianarana[hanova | hanova ny fango]

Ny diôfizisma, izay hita ao amin' ny Fiekem-pinoan' i Kalkedôna, dia mitory Kristy iray manana natiora roa izay tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka. Inty ilay fiekem-pinoana:

"Araka ireo Ray masina izany, izahay dia mampianatra amim-piraisam-peo fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesoa Kristy, ilay tanteraka amin' ny maha Andriamanitra azy, sy tanteraka amin' ny maha olombelona azy, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy maha izy azy amin' ny Ray araka ny maha Andriamanitra azy sy mitovy maha izy azy amintsika araka ny maha olombelona azy, manahaka antsika amin' ny lafiny rehetra afa-tsy amin' ny fahotana, nateraky ny Ray talohan' ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra azy, ary amin' ny andro farany izy tenany ilay (nateraka) ho antsika sy ho an' ny famonjena antsika avy amin' ny Maria Virjiny, Renin' Andriamanitra araka ny maha olombelona azy, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana natiora roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamihafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan' ny fiombonana, ny toetran' ny fomban' ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin' ny persôna sy hipôstazy iray, dia i Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persôna roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy."

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]