Bodisma hinaiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny hinaiana na bodisma hinaiana dia endrika tranain' ny bodisma ivondronan' ny firehana na sekoly maro, izay manome lanja bebe kokoa ny fampiharana sy ny fanafahana ny isam-batan' olona fa tsy fanafahana ny zavatra na ny olona rehetra, ka ny sisa amin' ireo firehena na sekoly ireo dia ny teravada. Miisa valo ambin' ny folo ireo sekoly taloha ireo nefa ny iray ihany no sisa ankehitriny, dia ny bodisma teravada. Ny bodisma teravada dia manjaka ao Azia Atsimo sy Azia Atsimo-Atsinanana (Srilanka, Tailandy, Kambôdia, Birmania, Laôsy, faritra sasany ao Vietnamy), ny Sinoa ao Indônezia sy ao Malezia ary ny foko ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Sina. Vao tsy ela akory ny niorenany tao Andrefany raha mitaha amin' ny firehana zen na vajraiana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]