Beta Israely

Avy amin'i Wikipedia
Zazalahy Beta Israely tamin' ny taona 2005.

Ny Beta Israely dia vahoakan'i Etiopia izay antsoina hoe Falasha koa tany aloha[1]. Atao hoe Jiosy etiôpiana izy ireo ao Israely[2]. Ny Beta Israely sasany, sy ny manampahaizana jiosy maro, dia mihevitra fa taranaky ny fokon' i Dana izy ireo, tsy araka ny tantara nifandovana izay milaza azy ireo fa taranaky ny mpanjakavavin'i Saba (na Seba) [3] [4] [5] [6]. Ny fomban'ny Beta Israely dia mifandray amin' i Jerosalema hatramin' izay[7].

Ny fiavian' ny Beta Israely dia tsy tena voafaritra mazava. Nonina ao amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia izy ireo nandritra ny taonjato maro, indrindra ao amin' ny faritanin' i Gondar sy ny faritanin' i Tigre. Nanangana fanjakana madinika maro mahaleotena izy ireo ka tsy rava izany raha tsy tamin' ny taonjato faha-17, tamin' ny naharesen' ny fanjakan' i Etiôpia azy ireo ary lasa vahoaka vitsy anisa nailikilika tsy afaka manana tany sady ampangaina ho manana fijery mitondra loza.

Sinagôga ao amin'ny tanànan'i Wolleka any Etiôpia

Ny fanadihadiana ny fototarazo dia naneho fa taranaka Etiôpiana izy ireo, nefa tamin' izao taonjato faha-21 izao dia nisy fanadihadiana hafa izay naneho fa mety taranaky ny Jiosy niaina tany amin' ny taonjato faha-4 na faha-5 izy ire, angamba tao Sodàna[8] [9]. Ny Beta Israely dia nifandray amin' ny vahoaka jiosy tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20. Tamin' ny taona 1973 i Ovadia Yosef, ilay raby lehibe sefarada, raha nifototra tamin' ny Radbaz sy ny fitantarana hafa, dia nanambara fa Jiosy ny Beta Israely ka tokony ho entina any Israely. Roa taona taty aoriana dia nohamafisin' ny manampahefana hafa izany fanambaràna izany, indrindra ny raby askenaza Shlomo Gioren[10].

Ny fivavahana jiosy tandrefana dia nifampikasoka tamin' ireo Beta Israely tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-20 dia voafaritra amin' ny fomba lalina sady nisongadina ny maha izy azy ny Beta Israely ka nahatonga azy ireo hihevitra ny tenany ho Jiosy amin' izay fa tsy ho Beta Israely fotsiny.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Weil, Shalva (2013). "Ethiopian Jews". In Baskin, Judith R. (ed.). The Cambridge dictionary of Judaism and Jewish culture. Cambridge University Press. pp. 165–166. ISBN 9780511982491.
  2. Lisa Anteby-Yemini, Les juifs éthiopiens en Israël, C.N.R.S., 2004(ISBN 2271062055).
  3. Weil, Shalva (2008). "The Jews of Pakistan". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1228–1230. ISBN 978-1-85109-873-6.
  4. Weil, Shalva (2008). "Jews in India". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1204–1212. ISBN 978-1-85109-873-6.
  5. Weil, Shalva (2008). "Jews in Ethiopia". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 2. ABC-CLIO. pp. 467–475. ISBN 978-1-85109-873-6.
  6. Weil, Shalva (2008). "The Pathans of Afghanistan and their Israelite Status". In Ehrlich, M. Avrum (ed.). Encyclopedia of the Jewish diaspora : origins, experiences, and culture. 3. ABC-CLIO. pp. 1230–1231. ISBN 978-1-85109-873-6.
  7. Weil, Shalva (2012). "Longing for Jerusalem Among the Beta Israel of Ethiopia". In Bruder, Edith (ed.). African Zion : studies in Black Judaism. Cambridge Scholars Publishing. pp. 204–217. ISBN 978-1443838023.
  8. Entine, Jon (2007). Abraham's children : race, identity, and the DNA of the chosen people (1st ed.). Grand Central Publishing. p. 149. ISBN 978-0446580632.
  9. Lucotte, G; Smets, P (1999). "Origins of Falasha Jews studied by haplotypes of the Y chromosome". Human Biology. 71 (6): 989–93. PMID 10592688.
  10. Van de Kamp-Wright, Annette (17 September 2015). "Iron Lions of Zion: The Origin of Beta Israel | Jewish Press Omaha" Archived Jolay 20, 2019 at the Wayback Machine. Jewish Press.