Batisan' ny mino

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Batisan'ny mino)
Batisa ao amin' ny fiangonana Northolt Park Baptist Church, any Britaina Lehibe.

Ny batisan' ny mino dia fanao kristiana iainan' ny mpino ny fanavaozam-panahy izay anapahany hevitra mba hatao batisa na batemy anatsobohana ny vatana anaty rano aorian' ny fanambaràny ny finoany, aorian' ny fahateraham-baovao. Isan' ireo zavatra amantarana indrindra ny kristianisma ara-pilazantsara izany sady ivon-kevitr' io sampan' ny fivavahana kristiana io.

Aorin' ireo Kristiana evanjelika amin' ny fampianaran' i Jesoa Kristy izay maniraka ny mpanaraka azy hanao mpianatra ny firenena rehetra sy hanao batisa azy ireo amin' ny anaran' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ny batisan' ny mino. Araka io filaharan' ny zavatra nanirahan' ny Jesosy io dia fanaovam-batisa ny olona efa mpianatra no azo atao, ka noho izany dia tsy mety ny manao batisa zazakely izay mbola tsy mahay mino. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia ny fanaovana batisa ny olona mino efa niaina ny fahateraham-baovao no voasoratra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]