Asombola

Avy amin'i Wikipedia
Vola

Ny Asombola no vintana fahenina amin' ny fanandroana malagasy. Ny Alahasaty no eo alohany ary ny Adimizana no manaraka azy. Ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy[1].

Fiavian' ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Fiavian' ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan'ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe السنبلة / As-Sumbul ("virjina") ny hoe Asombola.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Virgo na amin' ny teny frantsay hoe Vierge izy. Amin' ny teny maley dia atao hoe Sunbulat na Sumbulat na Perawan ihany koa izy.

Antokon-kintan'ny Virijiny

Ny antokon-kintana Virijiny sy ny zôdiaka[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana andalovan' ny masoandro eo amin' ny antokon-kintan' ny Virijiny dia manomboka amin' ny 16 Septambra ka miafara amin'n y 30 Oktobra. Ny fari-potoan' ny Virijiny araka ny zôdiakan-kintana (frantsay: zodiaque sideral) dia hatramin' ny 16 Septambra ka hatramin' ny 15 Oktobra. Ny Virijiny ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia manomboka amin' ny 23 Septambra ka miafara amin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Liona na Alahasaty Viriijny na Asombola Mizana na Adimizana
Antokon-kintana 10 Aogositra - 16 Septambra 16 Septambra -  30 Oktobra 30 Oktobra - 20 Novambra
Zodiakan-kintana 16 Aogositra - 15 Septambra 16 Septambra -  15 Oktobra 16 Oktobra - 15 Novambra
Zodiaka mikisaka 23 Jolay - 22 Aogositra 23 Aogositra -  22 Septambra 23 Septambra - 22 Oktobra

Ny vintana Asombola[hanova | hanova ny fango]

Toerany[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahenina ny Asombola ka ny tapany andrefana amin' ny rindrin-trano atsimo no toerana omena azy. Mifandratra amin' ny Alohotsy sy miarina eo amin' ny Alahamady ny vintana Asombola. Baben' ny renivintana Adimizana ny zanabintana Asombola. Ao amin' ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro roa ny Asombola, dia ny vava Asombola (na vavan' Asombola) sy ny vody Asombola (na vodin' Asombola). Zanabintana ny Asombola.

Fombany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintam-bola sy vintan' ny olona tia harena ny Asombola.

Vava Asombola[hanova | hanova ny fango]

Ny zazalahy teraka vava Asombola dia ho mpivarotra ary hahazo volabe. Ny zazavavy kosa ho mpanao taozavatra sy ho mpila harena.

Vody Asombola[hanova | hanova ny fango]

Ny zaza teraka vody Asombola dia ho mpila vola sy hanan-karena.

Ny volana Asombola[hanova | hanova ny fango]

Misy amin'ny Malagasy ny mandray ny volana Asombola ho volana fahenina amin'ny taona ao amin'ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany).

Manomboka amin' ny vava Asombola ka miafara amin' ny vody Alahasaty ny volana Asombola raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alahasaty dia miafara amin' ny vava Asombola ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Asombola io dia mifarana amin' ny vody Asombola ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. "Asombola", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.