Artakserksesy III

Avy amin'i Wikipedia
Sary sokitra maneho an' i Artakserksesy III ao amin' ny fasany any Persepôlisy any Iràna.

I Artakserksesy III dia mpajaka persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka akemenida, izay nanjaka teo anelanelan' ny taona 358 sy 338 tal. J.K. I Artakserksesy II no nodimbiasiny ary i Arsesy (na Artakserksesy IV) no nandimby azy.

Atao hoe Ἀρταξέρξης, / Artaksérksês io anarana io amin' ny teny grika, izay avy amin' ny anarana amin' ny teny persana tranainy hoe Artaxšacā (amin' ny teny persana: اردشیر یکم / Ardeshir).

I Artakserlsesy III dia zanak' i Artakserksesy II sady mpandimby azy teo amin' ny fitondrana. Nampankatoaviny ny fahefany ireo solontenam-panjakana (satrapa) any amin' ny faritany (satrapia) izay nitady hahazo fahaleovantena. Mba hametrahany ny fahefany ao Foinikia (na Fenisia) dia nodorany ny tanànan' i Sidôna tamin' ny taona 344 tal. J.K. Tafasaraka tamin' ny Empira Persiana i Egipta talohan' ny nitondrany, nefa nakambany indray ao amin' io empira io tamin' ny taona 341 tal. J.K. Tamin' ny taona 340 dia namonjy ny tanànan' i Perintôsy any amin' ny morontsiraky ny Ranomasin' i Marmara i Artakserksesy III tamin' ny fanafihana sy ny fakan' ny tafika makedôniana izany tanàna izany. Tamin' ny taona 338 tal. J.K. dia maty nopoizinin' ny lehiben' ny mpiambina azy, atao hoe Bagôasy (grika: Βαγώας / Bagôas), i Artakserksesy III .

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.