Arsamesy

Avy amin'i Wikipedia
Arsamesy

I Arsamesy dia mpanjaka isan' ireo Akemenida tamin' ny taona 520 tal. J.K., zanak' i Ariaramnesy, nandao ny maha mpanjaka azy izy mba hampisy fitokisana eo aminy sy i Kirôsy Lehibe. Niala tamin' ny raharaham-pitondrana izy ka nonina tao Farsa nandritra ny taona maro dia maro. Amin' ny teny persiana taloha dia atao hoe Arshâma. Amin' ny teny persana dia atao hoe آرشام / Arshâm. Amin' ny teny grika dia atao hoe Ἀρσάμης / Arsamês.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.