Amôna (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Ny andriamanitra Amona

I Amôna dia iray amin' ireo andriamani-dehibe egiptiana, andriamanitry ny tanàna Tebay. Ny anarany hoe Imen, izay midika hoe "ilay Miafina" dia manambara ny tsy fahafaha-mamantatra ny tena endriny, satria miseho amin' ny endrika maro izy. Ny andriamanitra ambanimbany Amemeta no mpiaraka aminy. Isan' ny adriamanitra valo tao Hermapôlisy izy. Izy no Imen achâ renou "Amôna maro anarana".

Andriamanitry ny rivotra sy ny mpitondra lakana ary indraindray ny fananana anaka. Tamin' ny Empira Antenantenany dia nakambana tamin' ny andriamanitra masoandro Ra an' i Heliôpôlisy izay ka naka endrika mikambana, dia ny andriamanitra Amôna-Ra.