Beta Israely : Fahasamihafan'ny versiona roa

Aller à la navigation Aller à la recherche
tsy misy ambangovangom-panovana
(Rohy)
 
 
Ny fiavian'ny Beta Israely dia tsy tena voafaritra mazava. Nonina ao amin'ny tapany avaratr'i Etiopia izy ireo nandritra ny taonjato maro, indrindra ao amin'ny faritanin'i Gondar sy ny faritanin'i Tigre. Nanangana fanjakana madinika maro mahaleotena izy ireo ka tsy rava izany raha tsy tamin'ny taonjato faha-17, tamin'ny naharesen'ny fanjakan'i Etiopia azy ireo ary lasa vahoaka vitsy anisa nailikilika tsy afaka manana tany sady ampangaina ho manana fijery mitondra loza.
[[Sary:Wolleka.jpg|vignette|251x251px|Sinagôga ao amin'ny tanànan'i Wolleka any Etiôpia]]
 
Ny fanadihadiana ny fototarazo dia naneho fa taranaka Etiopiana izy ireo, nefa tamin'izao taonjato faha-21 izao dia nisy fanadihadiana hafa izay naneho fa mety taranaky ny Jiosy niaina tany amin'ny taonjato faha-4 na faha-5 izy ire, angamba tao Sodàna<ref><small>Entine, Jon (2007). ''Abraham's children : race, identity, and the DNA of the chosen people'' (1st ed.). Grand Central Publishing. p. 149. ISBN <bdi>978-0446580632</bdi>.</small></ref> <ref><small>Lucotte, G; Smets, P (1999). "Origins of Falasha Jews studied by haplotypes of the Y chromosome". ''Human Biology''. '''71''' (6): 989–93. <nowiki>PMID 10592688</nowiki>.</small></ref>. Ny Beta Israely dia nifandray amin'ny vahoaka jiosy tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-20. Tamin'ny taona 1973 i Ovadia Yosef, ilay raby lehibe sefarada, raha nifototra tamin'ny Radbaz sy ny fitantarana hafa, dia nanambara fa Jiosy ny Beta Israely ka tokony ho entina any Israely. Roa taona taty aoriana dia nohamafisi'ny manampahefana hafa izany fanambaràna izany, indrindra ny raby askenaza Shlomo Gioren<ref><small>Van de Kamp-Wright, Annette (17 September 2015). [http://www.jewishomaha.org/jewish-press/2015/09/iron-lions-of-zion-the-origin-of-beta-israel "Iron Lions of Zion: The Origin of Beta Israel | Jewish Press Omaha"]. ''Jewish Press''.</small></ref>.
 
25 280

modifications

Meny fitetezana