Pôliteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Aller à la navigation Aller à la recherche
tsy misy ambangovangom-panovana
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
 
== Endrika isehoan' ny politeisma ==
Isan-karazany ny fivavahana amin' andriamanitra maro satria ny lamina tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy ary mety hahitana zana-damina izay mamaritra ny fifandraisan' ireo andriamanitra ao aminy. Ny fivavahana sasany, izay efa tsy misy mpanaraka intsony, dia matetika tsy fantatra raha tsy amin' ny alalan' ireo sisan-javatra navelan' ny mponina tany aloha na amin' ny alalan' ny [[fedrà]] sy ny [[haisoratra]]. Nefa ny anjara toeran' ny andriamanitra iray ao amin' ny fedrà dia tsy voatery hifanaraka amin' ny tena anjara toeran' io andriamanitra io ao amin' ny [[fanompoam-pivavahana]].
 
Ao amin' ny lamina pôliteista dia misy fizaràna seha-pahefana ho an' ny andriamanitra tsirairay. Mety ho momba ny fari-tany izany (fahefana amin' ny faritra voafetra), na mety ho momba ny foko na ny karazan' asa (andriamanitry ny foko iray na ny sokajin' asa fivelomana iray), na sehatra hafa eo amin' ny tontolo (andriamanitry ny zava-mitranga eo amin' ny [[natiora]], andriamanitra any amin' ny fitoeran' ny maty, andriamanitry ny fanambadiana, sns.). Na dia izany aza dia misy ireo andriamanitra manan-danja kokoa izay ivangongoan' anjara asa maro; ny andriamanira sasany dia metimety kokoa amin' ny mponina ao amin' ny tanàna iray na maromaro raha mitaha amin' ny hafa.
 
Amin' ny ankapobeny dia manam-pifadraisam-pianakaviana na fifandraisam-piarahamonina ireo andriamanira ao amin' ny lamina politeista ireo: misy ny mpifehy ary misy ny fehezina, misy ny ray sy reny ary zanaka.
 
Matetika dia misy ny andriamanitra fara-tampony izay tsy dia voantson' ny mpivavaka raha mitaha amin' ireo andriamanitra ambanimbany izay akaiky kokoa ny mpivavaka. Ao amin' ny fivavahana politeista afrikanan' ny vahoaka Londa (Lundas) dia i Nzambi no anaran' ny andriamanitra fara-tampony. Ao koa ireo fivavahana manana andriamanitra fara-tampony lavitra kokoa sahala amin' ny andriamanitra Lanitra ao amin' ny [[fivavahana sinoa]].
 
== Ireo fivavahana politeista ==
30 389

modifications

Meny fitetezana