Fiteny indô-eorôpeanina: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-61: Andalana faha-61:
* [[Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley]]
* [[Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley]]
* [[Fianakaviam-piteny nilô-sahariana]]
* [[Fianakaviam-piteny nilô-sahariana]]
* [[Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana]]
* [[Fiteny indô-eorôpeanina|Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana]]


* [[Fianakaviam-piteny altaika]]
* [[Fianakaviam-piteny altaika]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 29 Jolay 2020 à 08:24

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka fiteny ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Fitsinjarànan'ireo fiteny indô-eorôpeana ao amin'ny tany nipoirany

Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan'ny fiteny maro nipoitra any Eorôpa sy any India sy tenenina eran'izao tontolo izao. Misy 1 000 eo ny isan'ny fiteny avy amin'io fiteny io. Misy olona 3 lavitrisa no miteny amin'ny fiteny indô-eorôpeanina. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny balto-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (isan'izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (isan'izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ankehitriny dia misy 6 tapitrisa ny olona miteny indô-eorôpeanina.

Fiteny Indô-eorôpeanina

Vondrona ao amin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana

Ny vondrom-piteny anatoliana

Ny vondrom-piteny anatôliana dia ahitana ireo fiteny maty notenenina tao Anatolia tamin'ny Andro Taloha toy ny fiteny hitita, fiteny lovita, fiteny palaita, fiteny lidiana, fiteny likiana, fiteny miliana, fiteny kariana, fiteny sidetika ary ny fiteny pisidiana.

Ny vondrom-piteny tôkariana

Ny vondrom-piteny tôkariana na agni-kotsy dia ahitana ireo fiteny maty telo, dia ny fiteny agneana sy ny fiteny kotseana ary ny fiteny kroraniana, izay notetenina tao amin'ny lemak'i Tarima tamin'ny taonarivo voalohany taor. J.K., ao atsimion'ny faritra mizakatenan'i Xinjiang any Sina.

Ny vondrom-piteny balto-slava

Ny vondrom-piteny balto-slava dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny balta sy ireo fiteny slava.

Ny vondrom-piteny keltika

Ny vondrom-piteny keltika na seltika dia misampana roa, ka ahitana ireo fiteny keltika an-tanibe sy ireo fiteny keltika a-nosy (ireo fiteny gaelika sy ireo fiteny britônika).

  • Fiteny keltika an-tanibe: fiteny gaoloà, fiteny lepontika, fiteny keltibera, fiteny galatiana (na galata), fiteny norika,
  • Fiteny gaelika: fiteny ekôsey, fiteny irlandey, fiteny gaelga),
  • Fiteny britônika: fiteny galoà na kimrika, fiteny kornika, fiteny bretôna, fiteny kambriana ary fiteny pikta.

Ny vondrom-piteny jermanika

Ny vondrom-piteny jermanika dia misampana telo, ka ahitana ireo fiteny jermanika atsinana (fiteny maty) sy ireo fiteny jermanika avaratra ary ireo fiteny jermanika andrefana.

Ny vondrom-piteny helenika

Ny vondrom-piteny helenika dia ahitana ny fiteny mikeniana, ny fiteny arkadiana, ny fiteny kipriôta, ny fiteny pamfiliana, ny fiteny grika taloha, ny fiteny grika kôine, ny fiteny greka vaovao, ny fiteny iôniana, ny fiteny beôtiana, ny fiteny lesbiana, ny fiteny tesaliana, ny fiteny makedôniana taloha, ny fiteny dôriana, ny fiteny eleana, ny fiteny etôliana, ny fiteny lôkriana ary ny fiteny fôkidiana.

Ny vondrom-piteny indô-iraniana

Ny vondrom-piteny indô-iraniana dia ahitana ireo fiteny iraniana sy ireo fiteny indô-ariana ary ny fiteny noristany.

Ny vondrom-piteny italika

Mizara ho sampana telo ny vondrom-piteny italika, dia ireo fiteny latiniana (na latino-faliska) sy ireo fiteny ôsko-ômbriana.

  • Fiteny ôsko-ômbriana, izay ahitana fiteny tsy misy mampiasa intsony, dia ny fiteny ôska sy ny fiteny ômbriana ary ny fiteny maro hafa koa.

Ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana

Fiteny manirery ny fiteny albaney sy ny fiteny armeniana.ao amin'ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeanina.

Jereo koa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny