Pôliteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Politeisma ho Pôliteisma i Thelezifor
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 8 Jiona 2020 à 20:43

Ny fianakaviamben'ny andriamanitra grika

Ny politeisma dia fivavahana na fiheverana filozofika inoana ny fisian'ny andriamanitra maro sy anompoana azy ireo. Isan-karazany ny endrika isehoan'ny fivavahana amin'andriamanitra maro. Amin'ny ankapobeny dia inoana ho manana endrika sy toetra mitovitovy amin'ny an'ny olombelona ny andriamanitra. Amin'ny ankapobeny koa dia manana ny anjara toerany ao amin'ny lamina misy ambaratonga ireo andriamanitra ireo ka ny fedrà no mitantara sy manazava izany. Matetika dia mifangaro amin'ny fivavahana amin'andriamanitra tokana (monoteisma) ny fivavahana amin'andriamanitra maro ka misy ny fivavahana politeista izay nivoatra nakany amin'ny monoteisma.

Ny mpikaroka dia mihevitra fa avy amin'ny tahotra sy ny fanajana ny herin'ny zavaboary no niavian'ny fivavahana amin'andriamanitra maro ka nokendrena tamin'izany ny hifehezana ireo hery ireo ka izany no ninoan'ny vahoaka sasany ny zavatra eny amin'ny lanitra (masoandro, volana, kintana sns.) sy ny zava-manan'aina sasany (biby sy zavamaniry) ary ny zavatra hafa koa (tendrombohitra, afo, sns.). Ny fandaminana misy eo amin'ny fiarahamonin'olombelona no heverina fa fandaminana misy koa ao amin'ny tontolon'ireo andriamanitra ireo. Tsy mora noho izany ny manavaka ny fivavahana politeista sasany amin'ny animisma na ny totemisma, eny fa na amin'ny panteisma koa aza.

Fiforonan-teny

Avy amin'ny teny grika hoe πολυθεϊσμός / polutheismos ny teny nohagasina hoe politeisma izay mbola azo rasaina araka izao: πολύ / polu ("maro") sy θεός / theos ("andriamanitra").

Endrika isehoan'ny politeisma

Isan-karazany ny fivavahana amin'andriamanitra maro satria ny lamina tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy ary mety hahitana zana-damina izay mamaritra ny fifandraisan'ireo andriamanitra ao aminy. Ny fivavahana sasany, izay efa tsy misy mpanaraka intsony, dia matetika tsy fantatra raha tsy amin'ny alalan'ireo sisan-javatra navelan'ny mponina tany aloha na amin'ny alalan'ny fedrà sy ny haisoratra. Nefa ny anjara toeran'ny andriamanitra iray ao amin'ny fedrà dia tsy voatery hifanaraka amin'ny tena anjara toeran'io andriamanitra io ao amin'ny fanompoam-pivavahana.

Ao amin'ny lamina politeista dia misy fizaràna seha-pahefana ho an'ny andriamanitra tsirairay. Mety ho momba ny fari-tany izany (fahefana amin'ny faritra voafetra), na mety ho momba ny foko na ny karazan'asa (andriamanitry ny foko iray na ny sokajin'asa fivelomana iray), na sehatra hafa eo amin'ny tontolo (andriamanitry ny zava-mitranga eo amin'ny natiora, andriamanitra any amin'ny fitoeran'ny maty, andriamanitry ny fanambadiana, sns.). Na dia izany aza dia misy ireo andriamanitra manan-danja kokoa izay ivangongoan'anjara asa maro; ny andriamanira sasany dia metimety kokoa amin'ny mponina ao amin'ny tanàna iray na maromaro raha mitaha amin'ny hafa.

Amin'ny ankapobeny dia manam-pifadraisam-pianakaviana na fifandraisam-piarahamonina ireo andriamanira ao amin'ny lamina politeista ireo: misy ny mpifehy ary misy ny fehezina, misy ny ray sy reny ary zanaka.

Matetika dia misy ny andriamanitra fara-tampony izay tsy dia voantson'ny mpivavaka raha mitaha amin'ireo andriamanitra ambanimbany izay akaiky kokoa ny mpivavaka. Ao amin'ny fivavahana politeista afrikanan'ny vahoaka Londa (Lundas) dia i Nzambi no anaran'ny andriamanitra fara-tampony. Ao koa ireo fivavahana manana andriamanitra fara-tampony lavitra kokoa sahala amin'ny andriamanitra Lanitra ao amin'ny fivavahana sinoa.

Ireo fivavahana politeista

Maro dia maro ny fivavahana politeista ka ireto ny tena fantatra indrindra:

  • ny fivavahan'ny Romana tranainy
  • ny fivavahan'ny Grika tranany
  • ny fivavahan'ny Selta
  • ny fivavahan'ny Jermàna
  • ny fivavahan'ny Slava
  • ny fivavahana finoa tranainy
  • ny fivavahana tranainy tao Mesopotamia
  • ny fivavahan'ny Ejiptiana tranainy
  • ny sintoisma
  • ny hindoisma
  • ny fivavahan'ny Persiana
  • ny fivavahan-drazana sinoa
  • ireo fivavahana tao Peroa tranainy
  • ireo fivavahan'ny mponina tao Amerika afovoany tranainy
  • ireo fivavahan'ny Arabo talohan'ny Silamo.

Jereo koa: