Ginea Vaovao: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nosy any amin'i Ôseania
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
[[Sary:LocationNewGuinea.svg|vignette|403x403px]]
I '''Ginea Vaovao''' dia nosy ao [[Ôseania]] izay manakaiky ny [[Ranomasimbe Pasifika]] ao andrefana, manana velarana mirefy 775 210 <abbr>km<sup>2</sup></abbr>, ka laharana fahatelo amin'ny nosy be velarana indrindra eto an-tany, aorian'i [[Aostralia]] sy i [[Groenlandy]].
I '''Ginea Vaovao''' dia nosy ao [[Ôseania]] izay manakaiky ny [[Ranomasimbe Pasifika]] ao andrefana, manana velarana mirefy 775 210 <abbr>km<sup>2</sup></abbr>, ka laharana fahatelo amin'ny nosy be velarana indrindra eto an-tany, aorian'i [[Aostralia]] sy i [[Groenlandy]].



Endrik'io pejy io tamin'ny 20 Janoary 2020 à 13:46

I Ginea Vaovao dia nosy ao Ôseania izay manakaiky ny Ranomasimbe Pasifika ao andrefana, manana velarana mirefy 775 210 km2, ka laharana fahatelo amin'ny nosy be velarana indrindra eto an-tany, aorian'i Aostralia sy i Groenlandy.

Nosy ao avaratr'i Aostralia i Ginea Vaovao, ao atsinanana atsimo atsinanan'ny tamba-nosy Môloka sy ao andrefan'ny Britaina Vaovao, ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Pasifika atao hoe Melanezia. Ao atsimony ny andilan-dranomasina Tora sy ny Ranomasin'i Arafora, izay manasaraka azy amin'i Aostralia, ao atsinanana ny Ranomasin'ny Salômôna sy ny Ranomasin'i Bismarck, ary ao avaratra ny Ranomasimbe Pasifika. Mirefy 2 400 km any ho any ny halavany ary 700 km ny sakany. Misy tandavan-tendrombohitra mitsinjara roa saika mitovy ny atsinanana sy ny andrefana. Ny tany avo indrindra dia mirefy 4 884 ao amin'ny tendro Ponkaka Jaia (Puncak Jaya), ao amin'ny tendrombohitra Maoke, ao amin'ny tapany andrefan'io nosy io.

Firenena roa no mizara an'i Ginea Vaovao, dia i Ginea Vaovao Andrefana (izay ahitana ny faritany indôneziana roa: i Papoazia sy i Papoazia Andrefana), sy ny ampahany lehibe amin'ny fanjakana mahaleo tenan'i Papoazia-Ginea-Vaovao. Ny mponina ao amin'io nosy io dia miisa 10 tapitrisa any ho any tamin'ny taona 2014.