Fanjakan' ny Arsakida: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy sy tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Andalana faha-2: Andalana faha-2:


== Ny Arsakida tao Persia ==
== Ny Arsakida tao Persia ==
Rehefa nihanalemy ny fitondran'i [[Seleokosy II]] tao [[Siria (faritra)|Siria]] dia nanararaotra nanorina ny fahefany i Arsàka, mpanjaka partiana, izay lohan'ny faritra avaratr'i Iràna, atao hoe Parnes, izay isan'ny foko nanjakan'ny [[Seleokida]], Nahazo fahaleovantena ny fokon'i Arsàka teo an-tenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. Niverina indray ny fanjakan'ireo Seleokida tamin'i Parnes tamin'ny nandraisan'i [[Antiokosy III]] ny fitondrana, ka tsy azon'ny Arsakida ny fahaleovantenany raha tsy tamin'ny faharesen'ny Siria tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny Rômana tao Magnesia tamin'ny taona 190 tal. J.K.
Rehefa nihanalemy ny fitondran'i [[Seleokosy II]] tao [[Siria (faritra)|Siria]] dia nanararaotra nanorina ny fahefany i Arsàka, mpanjaka partiana, izay lohan'ny faritra avaratr'i Iràna, atao hoe Parnes, izay isan'ny foko nanjakan'ny [[Seleokida]], Nahazo fahaleovantena ny fokon'i Arsàka teo an-tenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. Niverina indray ny fanjakan'ireo Seleokida tamin'i Parnes tamin'ny nandraisan'i [[Antiokosy III]] ny fitondrana, ka tsy azon'ny Arsakida ny fahaleovantenany raha tsy tamin'ny faharesen'ny Siria tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny Rômana tao [[Magnesia]] tamin'ny taona 190 tal. J.K.


Tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia nanitatra ny fanapahany i Mitridata, izay nanjaka tamin'ny taona 171 hatramin'ny taona 138 tal. J.K., tamin'ny nakany an'i Media sy i Elama sy i Persida ary i Babilôna. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan'ny Mpanjaka" (izany hoe emperora) i Mitridata tamin'ny taona 141 tal..J.K. ka nametra ny fahefan'ny Seleokida tao Siria. Ny empiran'ny Arsakida anefa nanahy noho ny fikorontananan'ny foko mpifindrafindra monina tany atsinanana.
Tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia nanitatra ny fanapahany i Mitridata, izay nanjaka tamin'ny taona 171 hatramin'ny taona 138 tal. J.K., tamin'ny nakany an'i [[Media]] sy i [[Elama]] sy i [[Persida]] ary i [[Babilôna]]. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan'ny Mpanjaka" (izany hoe emperora) i Mitridata tamin'ny taona 141 tal..J.K. ka nametra ny fahefan'ny Seleokida tao Siria. Ny empiran'ny Arsakida anefa nanahy noho ny fikorontananan'ny foko mpifindrafindra monina tany atsinanana.


Nanao izay hampitambatra sy ny hampandroso ny empira arsakida i Mitridata II Lehibe (izay nanjaka tamin'ny taona 123 hatramin'ny taona 88 tal. J.K.) ka nakambany aminy ny ampahan'i Armenia. Nafindran'i Ôrôda II (izay nanjaka tamin'ny taona 57 hatramin'ny 38 tal. J.K.) tany Ktesifôna ny renivohitry ny empira, sady resiny ilay Rômana atao hoe Kraso (latina: Crassus) tao Carrhes, dia i Kraso izay avy naka an'i Partia tamin'ny taona 53 tal. J.K. Azon'ny Partiana i Siria izay nofehezin'ny Rômana hatramin'ny taona 64 tal. J.K. sady niditra tao andrefana kokoa (tany Antiokia sy tany Jerosalema) izy.
Nanao izay hampitambatra sy ny hampandroso ny empira arsakida i Mitridata II Lehibe (izay nanjaka tamin'ny taona 123 hatramin'ny taona 88 tal. J.K.) ka nakambany aminy ny ampahan'i Armenia. Nafindran'i Ôrôda II (izay nanjaka tamin'ny taona 57 hatramin'ny 38 tal. J.K.) tany [[Ktesifôna]] ny renivohitry ny empira, sady resiny ilay Rômana atao hoe [[Kraso]] (latina: Crassus) tao Carrhes, dia i Kraso izay avy naka an'i Partia tamin'ny taona 53 tal. J.K. Azon'ny Partiana i Siria izay nofehezin'ny Rômana hatramin'ny taona 64 tal. J.K. sady niditra tao andrefana kokoa (tany [[Antiokia]] sy tany [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]]) izy.


Nisy ny ady antrano vokatry ny tsy fifanarahana ny amin'ny fifandimbiasana hanjaka, ka npohararaotin'ny emperora rômana Traiàno izany ka nataony ny fampandrian-tany tao Armenia sy Mesopotamia ary Asiria tamin'ny taona 114 hatramin'ny 117 taor. J.K. Nosimban'ny tafika rômana indroa ny tanànan'i Ktesifôna nefa tsy nahita vokatra firy tamin'izany i Rôma. I Ardasera I, izay andriandahy tao amin'ny fianakavia-mpajaka sasanida persiana no nandresy ny Arsakida tamin'ny namo noany ny mpanjaka ardakida atao hoe Artabàna IV tamin'ny taona 224.
Nisy ny ady an-trano vokatry ny tsy fifanarahana ny amin'ny fifandimbiasana hanjaka, ka nohararaotin'ny emperora rômana [[Traiano|Traiàno]] izany ka nataony ny fampandrian-tany tao Armenia sy Mesôpôtamia ary [[Asiria]] tamin'ny taona 114 hatramin'ny 117 taor. J.K. Nosimban'ny tafika rômana indroa ny tanànan'i Ktesifôna nefa tsy nahita vokatra firy tamin'izany i Rôma. I Ardasera I, izay andriandahy tao amin'ny fianakavia-mpajaka [[sasanida]] persiana no nandresy ny Arsakida tamin'ny namonoany ny mpanjaka arsakida atao hoe Artabàna IV tamin'ny taona 224.


== Ny Arsakida tao Armenia sy tao Jeorjia ==
== Ny Arsakida tao Armenia sy tao Jeorjia ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 4 Janoary 2020 à 13:28

Ny Arsakida dia fianakavia-mpanjaka partiana nitondra an'i Persia na Iràna ka namorona ny empira partiana. Tsy i Partia ihany no notapahiny fa i Mesôpôtamia sy i Persida ary i Persia koa, teo anelanelan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-3 taor. J.K. Naorin'i Arsaka tamin'ny taona 250 tal. J.K. izany fanjakana izany ka nanapaka hatramin'io taona io ka hatramin'ny taona 224 taor. J.K. ary ny Sasanida no nisolo azy ireo avy eo. Ny mpanjaka arsakida farany nanapaka an'i Partia dia i Artabàna V, izay resin'i Ardasira zanak'i Papàka. Nisy taranaky ny Arsakida izay nanapaka an'i Armenia hatramin'ny taona 428 taor. J.K.

Ny Arsakida tao Persia

Rehefa nihanalemy ny fitondran'i Seleokosy II tao Siria dia nanararaotra nanorina ny fahefany i Arsàka, mpanjaka partiana, izay lohan'ny faritra avaratr'i Iràna, atao hoe Parnes, izay isan'ny foko nanjakan'ny Seleokida, Nahazo fahaleovantena ny fokon'i Arsàka teo an-tenantenan'ny taonjato faha-3 tal. J.K. Niverina indray ny fanjakan'ireo Seleokida tamin'i Parnes tamin'ny nandraisan'i Antiokosy III ny fitondrana, ka tsy azon'ny Arsakida ny fahaleovantenany raha tsy tamin'ny faharesen'ny Siria tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny Rômana tao Magnesia tamin'ny taona 190 tal. J.K.

Tamin'ny fisasahan'ny taonjato faha-2 tal. J.K. dia nanitatra ny fanapahany i Mitridata, izay nanjaka tamin'ny taona 171 hatramin'ny taona 138 tal. J.K., tamin'ny nakany an'i Media sy i Elama sy i Persida ary i Babilôna. Nisalotra ny anaram-boninahitra hoe "Mpanjakan'ny Mpanjaka" (izany hoe emperora) i Mitridata tamin'ny taona 141 tal..J.K. ka nametra ny fahefan'ny Seleokida tao Siria. Ny empiran'ny Arsakida anefa nanahy noho ny fikorontananan'ny foko mpifindrafindra monina tany atsinanana.

Nanao izay hampitambatra sy ny hampandroso ny empira arsakida i Mitridata II Lehibe (izay nanjaka tamin'ny taona 123 hatramin'ny taona 88 tal. J.K.) ka nakambany aminy ny ampahan'i Armenia. Nafindran'i Ôrôda II (izay nanjaka tamin'ny taona 57 hatramin'ny 38 tal. J.K.) tany Ktesifôna ny renivohitry ny empira, sady resiny ilay Rômana atao hoe Kraso (latina: Crassus) tao Carrhes, dia i Kraso izay avy naka an'i Partia tamin'ny taona 53 tal. J.K. Azon'ny Partiana i Siria izay nofehezin'ny Rômana hatramin'ny taona 64 tal. J.K. sady niditra tao andrefana kokoa (tany Antiokia sy tany Jerosalema) izy.

Nisy ny ady an-trano vokatry ny tsy fifanarahana ny amin'ny fifandimbiasana hanjaka, ka nohararaotin'ny emperora rômana Traiàno izany ka nataony ny fampandrian-tany tao Armenia sy Mesôpôtamia ary Asiria tamin'ny taona 114 hatramin'ny 117 taor. J.K. Nosimban'ny tafika rômana indroa ny tanànan'i Ktesifôna nefa tsy nahita vokatra firy tamin'izany i Rôma. I Ardasera I, izay andriandahy tao amin'ny fianakavia-mpajaka sasanida persiana no nandresy ny Arsakida tamin'ny namonoany ny mpanjaka arsakida atao hoe Artabàna IV tamin'ny taona 224.

Ny Arsakida tao Armenia sy tao Jeorjia

Nisy tarananky ny Sasanida izay nanohy nitondra tao Armenia. I Armenia dia teo ambany fanapan'ny Sasanida aloha tamin'ny taona 232 taor. J.K., avy eo notapahin'ny Rômana tamin'ny taona 283 taor. J.K. ary farany nizara tamin'ny Empira rômana sy ny Empira persiana i Armenia tamin'ny taona 387 taor. J.K. Nitondra, ohatra, i Vononesy I tamin'ny tana 12 taor. J.K. Voasolon'ny Persiana ny Arsakida tao Armenia tamin'ny taona 428 taor. J.K. Artakesy IV tamin'ny taona 428 taor. J.K. Naongan'ny Sasanida i Artakesy IV tamin'io taona io.

Nisy taranaka arsakida koa nankaka tao Iberia (Kartly) nanomboka tamin'ny taona 189 taor. J.K. ka i Reva I Marina, zanaky ny "mpanjaka lehibe" partiana tsy fantatra anarana (izay misy mihevitra fa i Vologesa V ), no mpanjaka tamin'izay. Rava izany fianakaviana izany tamin'ny andron'ny andriambavy Abekora zanaka vavin'i Aspagora I, izay nanambady an'i Mirvàna tamin'ny taona 284 taor. J.K., i Aspagora no mpanorina ny fianakavia-mpanjaka atao hoe Kosroida.