Damaso I: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Andalana faha-8: Andalana faha-8:
== Jereo koa ==
== Jereo koa ==


* Rain'ny Fiangonana
*[[Rain'ny Fiangonana]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 20 Novambra 2019 à 20:48

Ny Papa Damaso I

I Damaso, izay antsoina hoe Papa Damaso I, dia evekan'i Roma teo anelanelan'ny taona 366 sy 384. Olom-pirenena romana izy nefa Espaniola ny ray aman-dreniny. Teraka tamin'ny taona 305 tao Roma sy maty tamin'ny 11 Desambra 384 tao Roma ihany koa izy. Izy no eveken'i Roma faha-37, nandimby an'i Liberio izay maty tamin'ny taona 366. Isan'ny papa nalaza indrindra tamin'ireo taonjato voalohandohany izy ka nisaina tao amin'ireo Rain'ny Fiangonana.

I Damaso no nitarika ny fanavaozana tao amin'ny Fiangonana. Narovany indrindra ny fahambonian'ny Fiangonan'i Roma amin'ny Fiangonan'i Konstantinopoly. Niady tamin'ny fampianaran-diso izy, indrindra fa ny arianisma. Papa sy mpitia asa soratra ary poeta i Damaso. I Damaso no naniraka an'i Hieronimo (na Jerôma) mpitan-tsorany sy mpanolotsainy, mba hanitsy ny lahatsoratry ny Baiboly amin'ny teny latina tamin'izay ka nipoiran'ny Volgata. Tamin'ny androny no naha fiteny litorjika ny fiteny latina izay nasolo ny fiteny grika.

Izy koa no nanomboka nanokana toerana hitehirizana ireo tahirin-kevitry ny papa sady nanamboatra indray ireo lavabato anaty tany fandevenana ny maty.

Jereo koa