Lanitra (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Finoana
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitsy
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
Ny '''lanitra''' ao amin'ny fivavahana maro dia ny toerana misy ny [[fiainana mandrakizay]] ho an'ireo olom-boafidy aorian'ny fahafatesana. Indraindray ny lanitra dia atao hoe [[Paradisa|''paradisa'']].
Ny '''lanitra''' ao amin'ny fivavahana maro dia toerana misy ny [[fiainana mandrakizay]] ho an'ireo olom-boafidy aorian'ny fahafatesana. Indraindray ny lanitra dia atao hoe [[Paradisa|''paradisa'']]. Ny lanitra na ny paradisa dia toerana amalian-tsoa ireo olona nitondra tena tsara teto an-tany, izany hoe nanaraka ny toromariky ny fivavahana milaza ny fisian'izany. Ny mifanohitra amin'izany dia ilay toerana ametrahana ireo izay tsy nanaraka izany didy izany, dia ireo izay nanda na tsy nofidin'Andriamanitra.

Amin'ny fivavahana tamin'ny [[Andro Taloha]] dia inoana fa fitohizan'ny fiainana eto an-tany ny fiainana aorian'ny fahafatesana, nefa ny aloka no ho ao amin'izany fiainanana aorian'ny fahafatesana izany. Ny lanitra na ny paradisa dia toerana amalian-tsoa ireo olona nitondra tena tsara teto an-tany, izany hoe nanaraka ny toromariky ny fivavahana milaza ny fisian'izany. Ny mifanohitra amin'izany dia ilay toerana ametrahana ireo izay tsy nanaraka izany didy izany, dia ireo izay nanda na tsy nofidin'Andriamanitra.


== Ny lanitra ao amin'ireo fivavahana politeista ==
== Ny lanitra ao amin'ireo fivavahana politeista ==


=== Ny lanitra ao amin'ny fedra grika sy romana ===
=== Ny lanitra ao amin'ny fedrà grika sy romana ===
Ao amin'ny fedra grika sy romana dia ''Elosiona pediona'' (grika: ''Ἠλύσιον πεδίον / Êlúsion pedíon)'' no ilazana ny toerana amalian-tsoa ireo ireo olona maty nefa nanao soa fahavelony, fa Tartarosy (grika: ''Τάρταρος'' / ''Tártaros'') kosa no toerana voaozona anasaziana ny ratsy fanahy fahavelony.
Ao amin'ny [[fedrà]] grika sy romana dia ''Elosiona pediona'' (grika: ''Ἠλύσιον πεδίον / Êlúsion pedíon)'' no ilazana ny toerana amalian-tsoa ireo ireo olona maty nefa nanao soa fahavelony, fa Tartarosy (grika: ''Τάρταρος'' / ''Tártaros'') kosa no toerana voaozona anasaziana ny ratsy fanahy fahavelony.


=== Ny lanitra ao amin'ny fivavahana politeista hafa ===
=== Ny lanitra ao amin'ny fivavahana politeista hafa ===
Ny paradisa ao amin'ireo fivavahana politeista taloha dia ninoana fa toerana itohizan'ny fisitrahan'ny olombelona ny fahafinaretan'ny fiainana teto an-tany aorian'ny fahafatesany. Ny ''Walhalla'' araka ny finoan'ny Alemàna sy ny Skandinaviana taloha dia toy izany. Toy izany koa ny fihazana tsy manam-pahataperana ao amin'ny paradisan'ny finoan'ny Indiana tany [[Amerika Avaratra]].
Ny paradisa ao amin'ireo fivavahana [[Politeisma|politeista]] taloha dia ninoana fa toerana itohizan'ny fisitrahan'ny olombelona ny fahafinaretan'ny fiainana teto an-tany aorian'ny fahafatesany. Ny ''Walhalla'' araka ny finoan'ny Alemàna sy ny Skandinaviana taloha dia toy izany. Toy izany koa ny fihazana tsy manam-pahataperana ao amin'ny paradisan'ny finoan'ny Indiana tany [[Amerika Avaratra]].


== Ny lanitra ao amin'ny fivavahana monoteista ==
== Ny lanitra ao amin'ny fivavahana monoteista ==
Ny fivavahana [[Monoteisma|monoteista]] fantatra indrindra fa miresaka ny amin'ny lanitra amin'ny maha toerana famalian-tsoa ny olo-marina dia ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[finoana silamo]].


=== Ny lanitra ao amin'ny jodaisma ===
=== Ny lanitra ao amin'ny jodaisma ===
Ao amin'ny [[Tanakh|Soratra Masina jiosy]] dia atao hoe ''Seola'' (hebreo: שאול / ''sheol'') no fiantsoana ny toerana itoeran'ny maty. Mihevitra ny Jiosy taloha sasany fa ny paradisa dia ao amin'ny faritra fiton'ny lanitra, ary misy fanantenana hialana avy ao amin'ny Seola mba hiverina hiaina indray eto an-tany na any an-danitra.
Ao amin'ny [[Tanakh|Soratra Masina jiosy]] dia atao hoe ''Seola'' (hebreo: שאול / ''sheol'') no fiantsoana ny toerana itoeran'ny maty. Mihevitra ny [[Jiosy]] taloha fa ny paradisa dia ao amin'ny faritra fiton'ny lanitra, ary misy fanantenana hialana avy ao amin'ny Seola mba hiverina hiaina indray eto an-tany na any an-danitra.


Ao amin'ny lovantsofina jiosy, ny hoe paradisa dia tsy inona fa ny fanantenana mesianika momba ny tany "todra-dronono sy tantely", ny Tany nampanantenaina dia tandindon'ny tena paradisa. Fiteny koa ny hoe "eo an-tratran'i Abrahama" izay honenan'ny olo-marina. Nandritra ny fahababoana tany Babilona dia nampifanaikezina amin'ny Tempoly (izay tsy misy fa noravan'ny Babiloniana) ny paradisa, araka ny hita ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela]] (Ezek. 47), avy eo dia nosoloana amin'ny atao hoe "famoronana vaovao" izany ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Isaia 41 sy 43).
Ao amin'ny lovantsofina jiosy, ny hoe paradisa dia tsy inona fa ny [[Mesianisma|fanantenana mesianika]] momba ny tany "todra-dronono sy tantely" na ny ""Tany nampanantenaina izay tandindon'ny tena paradisa. Fiteny koa ny hoe "eo an-tratran'i Abrahama" izay anondroana ny toerana honenan'ny olo-marina. Nandritra ny [[fahababoana tany Babilona]] dia nampifanakekezina amin'ny Tempoly (izay tsy misy fa noravan'ny Babiloniana) ny paradisa, araka ny hita ao amin'ny [[Bokin'i Ezekiela]] (Ezek. 47), avy eo dia nosoloana amin'ny atao hoe "famoronana vaovao" izany ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Isaia 41 sy 43).


Ao amin'ireo [[Apokrifan'ny Baiboly|soratra apokrifa]]<nowiki/>n'ny [[Testamenta Taloha]] no tena nahitana firesahana amin'ny antsipiriany kokoa, indrindra ao amin'ny [[Bokin'i Henoka]] (na Enoka), izay manoritsoritra ny firafitry ny paradisa, sady milaza azy ho toerana onenan'ny olo-marina.
Ao amin'ireo [[Apokrifan'ny Baiboly|soratra apokrifa]]<nowiki/>n'ny [[Testamenta Taloha]] no tena nahitana firesahana amin'ny antsipiriany kokoa, indrindra ao amin'ny [[Bokin'i Henoka]] (na Enoka), izay manoritsoritra ny firafitry ny paradisa, sady milaza azy ho toerana onenan'ny olo-marina.
Andalana faha-26: Andalana faha-25:


=== Ny lanitra ao amin'ny finoana silamo ===
=== Ny lanitra ao amin'ny finoana silamo ===
Ao amin'ny [[Kor'any]] dia ahitana ny atao hoe "lanitra fito" izay misy dingam-boninahitra tsy mitovy, ka ny fahafito no fitoeran'ny Avo Indrindra, ary ny volohany dia iny farany ambany amin'ny lanitra, itoeran'ny fahafaham-po ahitana ny fara tampon'ny fahafinaretan'ny tany.
Ao amin'ny boky masin'ny Silamo, dia ny [[Kor'any|Kor'any,]] dia ahitana ny atao hoe "lanitra fito" izay misy dingam-boninahitra tsy mitovy, ka ny fahafito no fitoeran'ny Avo Indrindra, ary ny voalohany dia ny farany ambany indrindra amin'ny lanitra, itoeran'ny fahafaham-po ahitana ny fara tampon'ny fahafinaretan'ny tany.


== Jereo koa ==
== Jereo koa ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 3 Septambra 2019 à 08:23

Ny lanitra ao amin'ny fivavahana maro dia toerana misy ny fiainana mandrakizay ho an'ireo olom-boafidy aorian'ny fahafatesana. Indraindray ny lanitra dia atao hoe paradisa. Ny lanitra na ny paradisa dia toerana amalian-tsoa ireo olona nitondra tena tsara teto an-tany, izany hoe nanaraka ny toromariky ny fivavahana milaza ny fisian'izany. Ny mifanohitra amin'izany dia ilay toerana ametrahana ireo izay tsy nanaraka izany didy izany, dia ireo izay nanda na tsy nofidin'Andriamanitra.

Ny lanitra ao amin'ireo fivavahana politeista

Ny lanitra ao amin'ny fedrà grika sy romana

Ao amin'ny fedrà grika sy romana dia Elosiona pediona (grika: Ἠλύσιον πεδίον / Êlúsion pedíon) no ilazana ny toerana amalian-tsoa ireo ireo olona maty nefa nanao soa fahavelony, fa Tartarosy (grika: Τάρταρος / Tártaros) kosa no toerana voaozona anasaziana ny ratsy fanahy fahavelony.

Ny lanitra ao amin'ny fivavahana politeista hafa

Ny paradisa ao amin'ireo fivavahana politeista taloha dia ninoana fa toerana itohizan'ny fisitrahan'ny olombelona ny fahafinaretan'ny fiainana teto an-tany aorian'ny fahafatesany. Ny Walhalla araka ny finoan'ny Alemàna sy ny Skandinaviana taloha dia toy izany. Toy izany koa ny fihazana tsy manam-pahataperana ao amin'ny paradisan'ny finoan'ny Indiana tany Amerika Avaratra.

Ny lanitra ao amin'ny fivavahana monoteista

Ny fivavahana monoteista fantatra indrindra fa miresaka ny amin'ny lanitra amin'ny maha toerana famalian-tsoa ny olo-marina dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny finoana silamo.

Ny lanitra ao amin'ny jodaisma

Ao amin'ny Soratra Masina jiosy dia atao hoe Seola (hebreo: שאול / sheol) no fiantsoana ny toerana itoeran'ny maty. Mihevitra ny Jiosy taloha fa ny paradisa dia ao amin'ny faritra fiton'ny lanitra, ary misy fanantenana hialana avy ao amin'ny Seola mba hiverina hiaina indray eto an-tany na any an-danitra.

Ao amin'ny lovantsofina jiosy, ny hoe paradisa dia tsy inona fa ny fanantenana mesianika momba ny tany "todra-dronono sy tantely" na ny ""Tany nampanantenaina izay tandindon'ny tena paradisa. Fiteny koa ny hoe "eo an-tratran'i Abrahama" izay anondroana ny toerana honenan'ny olo-marina. Nandritra ny fahababoana tany Babilona dia nampifanakekezina amin'ny Tempoly (izay tsy misy fa noravan'ny Babiloniana) ny paradisa, araka ny hita ao amin'ny Bokin'i Ezekiela (Ezek. 47), avy eo dia nosoloana amin'ny atao hoe "famoronana vaovao" izany ao amin'ny Bokin'i Isaia (Isaia 41 sy 43).

Ao amin'ireo soratra apokrifan'ny Testamenta Taloha no tena nahitana firesahana amin'ny antsipiriany kokoa, indrindra ao amin'ny Bokin'i Henoka (na Enoka), izay manoritsoritra ny firafitry ny paradisa, sady milaza azy ho toerana onenan'ny olo-marina.

Ao amin'ny kristianisma

Tsy misy firesahana afa-tsy intelo ny amin'ny paradisa ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia ny ao amin'ny Evanjelin'i Lioka (Lio. 23.43) sy ny Epistily faharoa ho an'ny Korintiana (2Kor. 12.2-3) ary ny ao amin'ny Asan'ny Apostoly (Asa 2.7).

Niteny tamin'ilay jiolahy i Jesosy raha nohomboana tamin'ny hazo fijaliana fa hiaraka aminy any am-paradisa "izao ankehitriny izao" ilay jiolahy. Taorian'ny nitsanganan'i Jesosa Kristy tamin'ny maty dia hiditra any am-paradisa eo no ho eo aorian'ny fahafatesany ny fanahin'ny olo-marina, ka ao izy ireo dia hifanatri-tava amin'Andriamanitra amim-kafaliana sy amim-pahasambarana. Haharitra mandrakizay izany fahasambarana izany, nefa rehefa tonga ny fitsanganan'ny maty rehetra amin'ny farany dia hitambatra amin'ny vatany nomem-boninahitra ny fanahiny. Ny Katolika dia mino fa alohan'ny hidirana ao amin'ny paradisa dia hisedra fanadiovana ao amin'ny atao hoe "afo fandiovana" ny fanahin'ny olombelona.

Ny lanitra ao amin'ny finoana silamo

Ao amin'ny boky masin'ny Silamo, dia ny Kor'any, dia ahitana ny atao hoe "lanitra fito" izay misy dingam-boninahitra tsy mitovy, ka ny fahafito no fitoeran'ny Avo Indrindra, ary ny voalohany dia ny farany ambany indrindra amin'ny lanitra, itoeran'ny fahafaham-po ahitana ny fara tampon'ny fahafinaretan'ny tany.

Jereo koa