Seleokosy II Kalinikosy: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Seleokida
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 28 Aogositra 2019 à 07:02

I Seleokosy II Kalinikosy dia mpanjaka seleokida nanapaka tamin'ny taona 247 hatramin'ny 226 tal. J.K. Teraka tamin'ny taona 265 tal. J.K. izy ary maty tamin'ny taona 226 tal. J.K. I Antiokosy II Teosy no rainy ary i Laodike I no reniny. Nanambady an'i Laodike II izy dia niteraka zaza dimy ka isan'izany i Antiokisy (vehivavy) sy i Seleokosy III Sotera ary i Antiokosy III Lehibe.

Tsy afaka nisakana an'ny farao Ptolemeosy III izay nitsofoka tao Siria sy i Mesopotamia i Seleokosy II nandritra ny ady fahatelo tao Siria izay naharitra hatramin'ny taona 246 tal. J.K. ka hatramin'ny taona 241 tal. J.K. Nomeny fahaleovan-tena ny Batriana sy ny Partiana (na Parta) tao atsinanana ary lasan'ny rahalahiny Antiokosy Hieraksa ny taniny tany Azia Minora.

Maro ny korontana izay tsy mantsy nalaminy ka isan'izany ny tany amin'ny faritra andrefana izay nisakana azy tsy hanohy ny fanitarany ny fanjakany. Nampamonoiny ny vadiny Stratonike II izay nikononkonona ny hamono azy. Nianjera avy eny ambony soavaly izy tamin'ny taona 226 tal J.K. ka maty ary ny zanany Seleokosy III no nandimby azy teo amin'ny fitondrana.