Mishnah: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Soratra ao amin'ny fivavahana jiosy
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 6 Aogositra 2019 à 10:41

Ny Mishnah na Mishna na Misnà dia ny fanangonan-dalàna am-bava jiosy voalohany sady literatiora rabinika voalohany. Tamin'ny taonjato faha-3 taor. J.K no nanaovan'i Juda Hanassi ny fanangonana, izay voasoratra tamin'ny teny hebreo, afa-tsy andininy vitsivitsy amin'ny fiteny arameana, sady mitanisa ireo hevitra sy ady hevitra ary koa ny famahana ara-dalàna nataon'ny Tanaima momba ny zavatra andidian'ny Torah, ka alahatra ara-dohahevitra misy toko enina sady voatsinjara ho lohahevitra 63.

Ny teny hoe Mishnah (manomboka amin'ny sora-baventy) dia manondro ny asa soratra nanangonana ny andininy anarivony maro, fa ny mishnah na mishnayot (manomboka amin'ny sora-madinika) dia manondro ny andininy tsirairay. Ny Talmud dia manondro koa ireo andininy izay tsy tafiditra ao amin'ny Mishnah nefa mitambatra ho fanangona hafa manokana, izay atao hoe braitot. Ny fanehoana ny mishnayot sy ny fivoasana azy, izay atao hoe gemara dia mitambatra ka manome ny votoatin'ny Talmud.