Lahatsoratra Masôretika: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
Ny '''lahatsoratra masoretika''' na '''soratra masoretika''' dia ny lahatsoratry ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] nampitain'ireo [[Masorah]], vokatry ny asan'ireo manam-pahaizana jiosy atao hoe [[Masoreta]] tamin'ny [[Andro Taloha]] sy tamin'ny [[Andro Antenantenany]]. Mety tao amin'ny lahatsoratra atao hoe "proto-masoretika" voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany tal. J.K. Tamin'ny fanombohan'ny vanim-potoana kristiana dia noraisina hatao fototra hiaingana amin'ny fandikan-tenin'ny Baiboly maro ny lahatsoratra masoretika, ka isan'izany ny ''Peshitta''.
Ny '''lahatsoratra masoretika''' na '''soratra masoretika''' dia ny lahatsoratry ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] nampitain'ireo [[Masorah]], vokatry ny asan'ireo manam-pahaizana jiosy atao hoe [[Masoreta]] tamin'ny [[Andro Taloha]] sy tamin'ny [[Andro Antenantenany]]. Mety tao amin'ny lahatsoratra atao hoe "proto-masoretika" voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany tal. J.K. Tamin'ny fanombohan'ny vanim-potoana kristiana dia noraisina hatao fototra hiaingana amin'ny fandikan-tenin'ny Baiboly maro ny lahatsoratra masoretika, ka isan'izany ny ''Peshitta''.

== Fampitahana amin'ireo lahatsoratra hafa ==
Ny lahatsoratra masoretika dia ahitana fahasamihafana amin'ny dikan-teny na fanitsiana hafa tranain'ny Baiboly, toy ny [[Baiboly samaritana]], ny [[Septoajinta]] ary ny [[Soratanam-piraketan'i Komràna]] izay ahitana fifanahafana eo amin'izy samy izy amin'ny andalana sasany tsy itovizany amin'ny lahatsoratra masoretika. Izny dia nahatonga ny eo amin'ny sehatry ny fikarohana momba ny Baiboly hihevitra fa mitovy lenta amin'ny maha samy karazam-Baiboly azy toy ireo karazany hafa ny lahatsoratra masoretika izay napetraka ho filamatra taorian'ny naharavan'ny [[Tempolin'i Jerosalema]].

== Fanisiana mari-janapeo sy mari-tsindrimpeo ==
Voasoratra amin'ny [[abidy hebreo]] izay tsy ahitana afa-tsy renisoratra ny Baiboly hebreo tany ampiandohany. Ny fametrahana ny marika maneho [[zanapeo]] (atao hoe ''nikkud'') sy maneho tsindrimpeo dia mety ho natao tamin'ny Andro Antenantenany, na dia mihevitra aza i Johannes Buxtorf tamin'ny taonjato faha-17 sy ny maro hafa fa efa hatramin'ny andron'i [[Ezra]] (na Esdrasa) no nanaovana izany. Ny fomba fametrahana ireo marika ireo, izay nataon'ny Jiosy tany Babilona (izay atao hoe "lamina babiloniana") dia voasolon'ny an'ny Jiosy tany Palestina (izay atao hoe "lamina tiberiana") izay niforona tamin'ny taonjato faha-9 na faha-10 taor. J.K. Ny Kodeksan'i Alep izay angamba dika mitovy voalohany fenon'ny lahatsoratra masoretika dia voasoratra tamin'ny taonjato faha-10 taor. J.K.

Endrik'io pejy io tamin'ny 13 Jiona 2019 à 09:34

Ny lahatsoratra masoretika na soratra masoretika dia ny lahatsoratry ny Baiboly hebreo nampitain'ireo Masorah, vokatry ny asan'ireo manam-pahaizana jiosy atao hoe Masoreta tamin'ny Andro Taloha sy tamin'ny Andro Antenantenany. Mety tao amin'ny lahatsoratra atao hoe "proto-masoretika" voasoratra tamin'ny faran'ny taonjato voalohany tal. J.K. Tamin'ny fanombohan'ny vanim-potoana kristiana dia noraisina hatao fototra hiaingana amin'ny fandikan-tenin'ny Baiboly maro ny lahatsoratra masoretika, ka isan'izany ny Peshitta.

Fampitahana amin'ireo lahatsoratra hafa

Ny lahatsoratra masoretika dia ahitana fahasamihafana amin'ny dikan-teny na fanitsiana hafa tranain'ny Baiboly, toy ny Baiboly samaritana, ny Septoajinta ary ny Soratanam-piraketan'i Komràna izay ahitana fifanahafana eo amin'izy samy izy amin'ny andalana sasany tsy itovizany amin'ny lahatsoratra masoretika. Izny dia nahatonga ny eo amin'ny sehatry ny fikarohana momba ny Baiboly hihevitra fa mitovy lenta amin'ny maha samy karazam-Baiboly azy toy ireo karazany hafa ny lahatsoratra masoretika izay napetraka ho filamatra taorian'ny naharavan'ny Tempolin'i Jerosalema.

Fanisiana mari-janapeo sy mari-tsindrimpeo

Voasoratra amin'ny abidy hebreo izay tsy ahitana afa-tsy renisoratra ny Baiboly hebreo tany ampiandohany. Ny fametrahana ny marika maneho zanapeo (atao hoe nikkud) sy maneho tsindrimpeo dia mety ho natao tamin'ny Andro Antenantenany, na dia mihevitra aza i Johannes Buxtorf tamin'ny taonjato faha-17 sy ny maro hafa fa efa hatramin'ny andron'i Ezra (na Esdrasa) no nanaovana izany. Ny fomba fametrahana ireo marika ireo, izay nataon'ny Jiosy tany Babilona (izay atao hoe "lamina babiloniana") dia voasolon'ny an'ny Jiosy tany Palestina (izay atao hoe "lamina tiberiana") izay niforona tamin'ny taonjato faha-9 na faha-10 taor. J.K. Ny Kodeksan'i Alep izay angamba dika mitovy voalohany fenon'ny lahatsoratra masoretika dia voasoratra tamin'ny taonjato faha-10 taor. J.K.