Levy (zanak' i Jakôba): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
[[Sary:Levi LACMA M.88.91.296b.jpg|vignette]]
[[Sary:Levi LACMA M.88.91.296b.jpg|vignette]]
I '''Levy''' (hebreo: לֵּוִי‎ / ''Levi'' na ''Lewi'') dia olona resahina ao amin'ny [[Baiboly|Baiboly,]] ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]. Zanakahahy fahatelon'i [[Jakoba]] izy. I [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe [[fokon'i Levy]] na [[Levita]] izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]].
I '''Levy''' (hebreo: לֵּוִי‎ / ''Levi'' na ''Lewi'') dia olona resahina ao amin'ny [[Baiboly|Baiboly,]] ao amin'ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]. Zanakahahy fahatelon'i [[Jakoba (patriarka hebreo)|Jakoba]] izy. I [[Lea (vadin'i Jakoba)|Lea]] no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe [[fokon'i Levy]] na [[Levita]] izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny [[Zanak'i Israely|Zanak’i Israely]].

Zafin’i [[Abrahama]] sy i [[Isaka]] i Levy. Nizara ho fianakaviana telo ny taranak’i Levy tamin’ny andron’ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an’i Kehaty (na Kohaty) ary ny an’i Merary. I Levy no rain’i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an’i Miriama sy i [[Mosesy]] ary i [[Arona]] tamin’i Amrama (zafin’i Levy). I [[Robena]] sy i [[Simeona (zanak'i Jakoba)|Simeona]] sy i [[Joda (zanak'i Jakoba)|Joda]] sy i [[Isakara]] ary i [[Zebolona]] no rahalahiny iray reny aminy ary i [[Dina]] no anabaviny iray reny aminy.

Endrik'io pejy io tamin'ny 1 Jiona 2019 à 05:32

I Levy (hebreo: לֵּוִי‎ / Levi na Lewi) dia olona resahina ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Genesisy. Zanakahahy fahatelon'i Jakoba izy. I Lea no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). Ny taranak’i Levy no atao hoe fokon'i Levy na Levita izay nisahana ny asam-pisoronana tao amin’ny Zanak’i Israely.

Zafin’i Abrahama sy i Isaka i Levy. Nizara ho fianakaviana telo ny taranak’i Levy tamin’ny andron’ny fahandevozana tao Ejipta, dia ny fianakavian’i Gersona sy ny an’i Kehaty (na Kohaty) ary ny an’i Merary. I Levy no rain’i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an’i Miriama sy i Mosesy ary i Arona tamin’i Amrama (zafin’i Levy). I Robena sy i Simeona sy i Joda sy i Isakara ary i Zebolona no rahalahiny iray reny aminy ary i Dina no anabaviny iray reny aminy.

Nandray anjara tamin’ny famonoana ireo lehilahy tao an-tananan-dry Sikema (na Sekema), noho ity farany nandry an-keriny tamin’i Dina, izy niaraka tamin’i Simeona (Gen. 34.25-26) ka nozonin-drainy noho izany (Gen. 49.7).

Mamono an'i Hamora sy i Sekema i Levy sy i Simeona, nataon'i Phillip Medhurst.

Nisahana ny anjara asa mpisorona sy ny fitsarana sy ny fampitana ny fahalalana (indrindra ny fahalalana ny Torah) amin’ny Israelita rehetra ny Levita ka miaro azy ny foko 11 sisa.

I Mosesy no Levita fantatra indrindra teo amin’ireo Hebreo; rahalahiny I Arona izay nanjary mpisoronabe voalohany teo amin’i Israely.

I Levy no lohan’ny fianakavian’ny mpisorona ka noho izany dia tsy nahazo anjara tany manokana tamin’ny fizarana tany tao Kanana ny fokon’i Levy (ny Levita). Nisy tanàna miisa 48 anefa nonenany sy nananany fahefana ara-politika sy ara-toekarena eran’ny tanin’i Israely. Nanana tombotsoa manokana ny Levita ka hita hatrany amin’ny fanompoana ao amin’ny sinagoga mandraka ankehitriny izany.

Jereo koa: