Tetiandro manara-bolana sy masoandro: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fotoana
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 16 Aprily 2019 à 08:49

Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro dia tetiandro anitana volana mitovy faharetana (isan'ny andro) amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny tany (29 na 30 andro) araka ny hitan'ny maso, sady ahitana volana miisa roa ambin'ny folo, nefa misy fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny tsingerin'ny fizaran-taona.

Ny maro amin'ny tetiandro atao hoe manara-bolana sy masoandro. Ireto avy ireo tetiandro manara-bolana sy masoandro fantatra indrindra: ny tetiandro hebreo, ny tetiandro samaritana, ny tetiandro sinoa, ny tetiandro tibetàna ary ny tetiandro hindoa. Ny tetiandro manara-bolana sy masoandro an'ny Hebreo sy ny Sinoa dia ampiasaina hamaritana ny andro hanaovana firavoravoam-pivavahana na ara-pomban-drazana.

Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, izay tsapa amin'ny alalan'ny tsingerin'ny fizaran-taona sy ny toeran'ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin'i Metona").