Tetiandro mozilmana: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
Ny [[tetiandro miozolmana|'''tetiandro''' '''miozolmana''']] na '''tetiandro silamo''' dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny [[Volana]] amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny [[Fivavahana silamo|fivavahana silamo]] ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny [[tetiandro hebreo]].
Ny [[tetiandro miozolmana|'''tetiandro''' '''miozolmana''']] na '''tetiandro silamo''' dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray [[Volana (fotoana)|volana]] ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny [[Volana]] amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny [[Fivavahana silamo|fivavahana silamo]] ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny [[tetiandro hebreo]].


Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny tetiandro gregoriana ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'i [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin'ny teny arabo.
Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny [[tetiandro gregoriana]] ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana ''Muharram'' izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'ny mpaminany [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin'ny teny arabo.


== Ny andro sy ny volana ==
== Ny andro sy ny volana ==
Andalana faha-24: Andalana faha-24:


==== Ny andro ====
==== Ny andro ====
Ireto ny anaran'ny andro ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):
Ireto ny anaran'ny [[andro]] ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):
{| class="wikitable"
{| class="wikitable"
|'''Andro'''
|'''Andro'''
Andalana faha-64: Andalana faha-64:


== Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana: ==
== Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana: ==
Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):
Fohy kokoa noho ny taona [[Tetiandro gregoriana|gregoriana]] na [[Tetiandro joliana|joliana]] ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):


* m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
* m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.

Endrik'io pejy io tamin'ny 4 Aprily 2019 à 09:10

Ny tetiandro miozolmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny Volana amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana amin'ny fivavahana silamo ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny fizaran-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny tetiandro gregoriana ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'ny mpaminany Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin'ny teny arabo. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin'ny teny arabo.

Ny andro sy ny volana

Ny volana

Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:

  • Muḥarram (مُحَرَّم)
  • Safar (صفر)
  • Rabi' al Awal (ربيع الأوّل)
  • Rabi' ath-Thani (ربيع الثاني)
  • Jumada al Awwal (جُمَادَىٰ الْأَوَّل) na Jumada al ‘Ula (جُمَادَىٰ الْأُولَىٰ)
  • Jumada ath-Thania (جمادى الثاني) na Jumaada al-Akhir na Jumada al-Akhira (جمادى الآخر)
  • Rajab (رجب‎)
  • Sha'bane (شعبان)
  • Ramadan (رمضان)
  • Shawwal (شوّال)
  • Dhu al Qidah na Dhu'l-Qa'dah (ذو القعدة)
  • Dhu al-Hijja (ذو الحجة).

Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso.

Ny andro

Ireto ny anaran'ny andro ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):

Andro Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
Anarany (Yawm) al-Aḥad (Yawm) al-Ithnayn (Yawm) ath-Thulāthā’ (Yawm) al-Arba‘ā’ (Yawm) al-Khamīs (Yawm) al-Jum‘ah (Yawm) as-Sabt
Arabo الأحد الإثنين الثلاثاء الأربعاء الخميس الجمعة السبت
Dikany Andro voalohany Andro faha-2 Andro faha-3 Andro fah-4 Andro faha-5 Andro fivoriana Andro fitsaharana

Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana:

Fohy kokoa noho ny taona gregoriana na joliana ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):

  • m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
  • g(m) = (m + 640,64616504):1,0306888.

Ny isa 1,0306888 dia tahan'ny halavan'ny taona manara-masoandro amin'ny halavan'ny taona manara-bolana.

Jereo koa: