Ova-matoanteny: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny fiteny
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 5 Febroary 2019 à 11:10

Ny ova-matoanteny dia endriky ny matoanteny izay sady afaka mitana ny anjara asan'ny matoanteny sy ny anjara asan'ny mpamari-toetra. Ao amin'ny fiteny sasany misy an'io endri-matoanteny io dia misy karazany roa ny ova-matoanteny dia ilay atao hoe ova-matoanteny mañano sy ny ova-matoanteny anoina. Ao amin'ny fiteny sasany koa dia ampiasaina miaraka amin'ny matoanteny mpanampy ny ova-matoanteny anoina mba hahazoana ny fiendrika anoina mifandraika amin'ny matoanteny amin'ny fiendrika mañano. Ao amin'ny fiteny sasany koa dia ampiasaina miaraka amin'ny matoanteny andry ny ova-matoanteny mba hahaoana ny filazam-potoana na/sy ny fanehoan-javatra sasany. Tsy ahitana io endri-matoanteny io ny fiteny malagasy.

Ova-matoanteny ao amin'ny fiteny frantsay

Ny ova-matoanteny mañano ao amin'ny fiteny frantsay dia miafara amin'ny -ant fa ny ova-matoanteny anoina kosa dia manana endrika isankarazany arakaraka ny matoanteny.

Ohatra:

Ova-matoanteny manano: marchant, parlant, mangeant.

Ova-matoanteny anoina: marché, parlé, mangé.

Ova-matoanteny ao amin'ny fiteny anglisy

Ny ova-matoanteny mañano ao amin'ny fiteny anglisy dia miafara amin'ny -ing fa ny ova-matoanteny anoina kosa dia manana endrika isankarazany arakaraka ny matoanteny.

Ohatra:

Ova-matoanteny manano: walking, speaking, eating.

Ova-matoanteny anoina: walked, spoken, eaten.

Jereo koa: