Fiendrika sy fitodika: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-35: Andalana faha-35:
Ny fitodika sy ny fiendrika dia tsy mahakasika afa-tsy ny [[matoanteny]]. Ny hoe ''fitodika'' sy ny ''fiendrika'' dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.
Ny fitodika sy ny fiendrika dia tsy mahakasika afa-tsy ny [[matoanteny]]. Ny hoe ''fitodika'' sy ny ''fiendrika'' dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.


==== Fitodika ao amin'ny teny malagasy ====
==== Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy ====
<br />
<br />


==== Fiendrika ao amin'ny teny malagasy ====
==== Fiendrika ao amin'ny fiteny malagasy ====
<br />
<br />
== Jereo koa: ==
== Jereo koa: ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 4 Febroary 2019 à 15:05

Ny fiendrika na fitodika dia toetra ara-pitsipiteny ananan'ny teny amin'ny sokajin-teny sasany, indrindra ny matoanteny (atao entimilaza), izay hita taratra amin'ny fiovan'endrik'ilay teny sy ny heviny ka mampitodika io teny io amin'ny lazaina. Ny fiendrika fantatra indrindra ao amin'ny fiteny maro dia ny fiendrika mpanao sy ny fiendrika iharana. Ao amin'ny fiteny malagasy dia mbola ahitana ny fiendrika mpamari-toe-javatra. Arakaraka ny mpahay teny no anavahana na tsia ny atao hoe fitodika sy fiendrika.

Fiendrika sy fitodika ao amin'ny fiteny malagasy

Fitodika araka ny fitsipitenin'ny Eoropeana

Telo ny fitodika fantatra araka ny fitsipiteny nolovana tamin'ny Eoropeana, ka ireto avy izany:

  • Fitodika mpanao: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy. Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fitodika iharana: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo. Aketsa ny vary. Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatra: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.

Fitodika araka an'i Siméon Rajaona

Araka ny mpahay teny malagasy Siméon Rajaona dia maro ny fitodika ao amin'ny fiteny malagasy, sady tsy ny matoanteny ihany no voakasika fa ny reniteny sasany toy ny anarana sy ny mpamari-toetra koa.

Fitodika mahakasika ny matoanteny

Ireto avy ny fitodika mahakasika ny matoanteny:

  • Fitodika mpanao: Mikapa hazo amin'ny antsy ny ankizy.
  • Fitodika sehatra: Mitaraina ny vahoaka noho ny ataon'ny mpitondra.
  • Fitodika iharana: Kapain'ny ankizy amin'ny antsy ny hazo.
  • Fitodika atao: Aketsa ny vary.
  • Fitodika fitaovana: Akapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatra: Ikapan'ny ankizy ny hazo ny antsy.
  • Fitodika mpampanao: Mampikapa hazo ny ankizy ny mpampianatra.
  • Fitodika mpifanao: Mifampikapa amin'ny antsy ny ankizy.

Fitodika tsy mahakasika ny matoanteny

  • Fitodika tsaraina: Tsemboka ilay mpangalatra.
  • Fitodika tompon-javatra: Fotsy volo izany lehilahy izany.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tsaraina: Nahatsemboka ilay mpangalatra ny fanenjehana azy.
  • Fitodika mpamari-toe-javatry ny tompon-javatra: Ny fahasahiranana no nahafotsy volo izany lehilahy izany.

Fitodika sy fiendrika araka an-Rabenilaina

Ny fitodika sy ny fiendrika dia tsy mahakasika afa-tsy ny matoanteny. Ny hoe fitodika sy ny fiendrika dia anarana roa iantsoana zavatra roa samy hafa ao amin'ny fiteny nefa misy ifandraisany, ka ny voalohany mahakasika ny endriky ny matoanteny ary ny faharoa kosa momba ny hevitry ny matoanteny.

Fitodika ao amin'ny fiteny malagasy


Fiendrika ao amin'ny fiteny malagasy


Jereo koa: