Jôiakina: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba olona resahina ao amin'ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
I [[Joiakina]] na [[Joiakina|Joasina]] izay atao hoe [[Joiakina|Jekonia]] na [[Joiakina|Jekoniasa]] dia mpoanjakan'i Jodà nandimby ny mpanjaka Joiakima rainy. Tsy naharitra ny fitondrany izay nanomboka tamin'ny Desambra 598 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny Marsa 597 tal. J.K. izy. Natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] izy tamin'ny nandresen'i Nebokadnetsara II ny tafik'i Jodà.
I [[Joiakina]] na [[Joiakina|Joasina]] izay atao hoe [[Joiakina|Jekonia]] na [[Joiakina|Jekoniasa]] dia mpanjakan'i Jodà nandimby ny mpanjaka [[Joiakima]] rainy. Tsy naharitra ny fitondrany izay nanomboka tamin'ny Desambra 598 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny Marsa 597 tal. J.K. izy. Natao [[Fahababoana tany Babilona|sesitany tany Babilona]] izy tamin'ny nandresen'i Nebokadnetsara II ny tafik'i Jodà. I [[Zedekia]] (na Sedekiasa) no nandimby azy sady mpanjaka faran'i Jodà.

== Ny anarany ==
Roa ny anarana azo iantsoana an'i Joiakina amin'ny teny hebreo (ao amin'ny [[Tanakh]]) dia ny hoe יהויכין / ''Yehoyakhin'' sy ny hoe יכניהו / ''Yekhonyahu''. Ireo no adikan'ny [[Volgata]] hoe ''Ioachin'' sy ''Iechonias''. Ny Baiboly proitestanta malagasy dia manotratra hoe ''Joiakina'' sy ''Jekonia'' fa ny Baiboly katolika malagasy kosa dia manao hoe ''Joasina'' sy ''Jekoniasa''.

== Fiainana sy fanjakàny ==
Tamin'ny taona 598 tal. J.K. tamin'ny nandrosoan'i Nebokadnetsara II hanafika ny [[Fanjakan'i Jodà]] dia maty i [[Joiakima]] (na Joakima), angamba nisy namono, ka nandimby azy i Joiakina zanany tamin'ny faha-18 taonany. Telo volana sy folo andro fotsiny anefa no nanjakan'i Joakina (Desambra 598 - Marsa 597 tal. J.K.).

Naka an'i Negeva ny Edomita fa i Nebokadnetsara kosa naka an'i Jerosalema izay nikomy taminy (taona 597 tal. J.K.). Natao sesitany tany Babilona ny mpanjaka Joiakina sy ny olona maro ao amin'ny saranga ambony ary ireo mahay taozavatra tao Jerosalema ka niisa 3 000 izany araka ny [[Baiboly]]. Nobaboin'i Nebokadnetsara ny fananana tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] sy ny tao amin'ny lapan'ny mpanjaka ka i Matania na Mataniasa (hebreo: ''Mattanyahu''; grika: ''Mathanias'') zanak'i [[Josia (mpanjakan'i Jodà)|Josia,]] izay niova anarana hoe [[Zedekia]] (na Sedekiasa), no notendreny handimby an'i Joiakina.

Araka ny [[Boky faharoan'ny Mpanjaka]] (2Mpanj. 25.27-30) dia nafahan'i Amela-Mardoka, izay nandimby an'i Nebokadnetsara, i Joakina rehefa nigadra nandritra ny 37 taona, tamin'ny taona 562 tal. J.K.

Endrik'io pejy io tamin'ny 21 Janoary 2019 à 17:24

I Joiakina na Joasina izay atao hoe Jekonia na Jekoniasa dia mpanjakan'i Jodà nandimby ny mpanjaka Joiakima rainy. Tsy naharitra ny fitondrany izay nanomboka tamin'ny Desambra 598 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny Marsa 597 tal. J.K. izy. Natao sesitany tany Babilona izy tamin'ny nandresen'i Nebokadnetsara II ny tafik'i Jodà. I Zedekia (na Sedekiasa) no nandimby azy sady mpanjaka faran'i Jodà.

Ny anarany

Roa ny anarana azo iantsoana an'i Joiakina amin'ny teny hebreo (ao amin'ny Tanakh) dia ny hoe יהויכין / Yehoyakhin sy ny hoe יכניהו / Yekhonyahu. Ireo no adikan'ny Volgata hoe Ioachin sy Iechonias. Ny Baiboly proitestanta malagasy dia manotratra hoe Joiakina sy Jekonia fa ny Baiboly katolika malagasy kosa dia manao hoe Joasina sy Jekoniasa.

Fiainana sy fanjakàny

Tamin'ny taona 598 tal. J.K. tamin'ny nandrosoan'i Nebokadnetsara II hanafika ny Fanjakan'i Jodà dia maty i Joiakima (na Joakima), angamba nisy namono, ka nandimby azy i Joiakina zanany tamin'ny faha-18 taonany. Telo volana sy folo andro fotsiny anefa no nanjakan'i Joakina (Desambra 598 - Marsa 597 tal. J.K.).

Naka an'i Negeva ny Edomita fa i Nebokadnetsara kosa naka an'i Jerosalema izay nikomy taminy (taona 597 tal. J.K.). Natao sesitany tany Babilona ny mpanjaka Joiakina sy ny olona maro ao amin'ny saranga ambony ary ireo mahay taozavatra tao Jerosalema ka niisa 3 000 izany araka ny Baiboly. Nobaboin'i Nebokadnetsara ny fananana tao amin'ny Tempoly sy ny tao amin'ny lapan'ny mpanjaka ka i Matania na Mataniasa (hebreo: Mattanyahu; grika: Mathanias) zanak'i Josia, izay niova anarana hoe Zedekia (na Sedekiasa), no notendreny handimby an'i Joiakina.

Araka ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 25.27-30) dia nafahan'i Amela-Mardoka, izay nandimby an'i Nebokadnetsara, i Joakina rehefa nigadra nandritra ny 37 taona, tamin'ny taona 562 tal. J.K.