Tsindrimandry (fivavahana): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-2: Andalana faha-2:


== Ny teny hoe ''θεοπνευστος / theopneustos'' ==
== Ny teny hoe ''θεοπνευστος / theopneustos'' ==
Ny teny hoe tsindrimandry dia fandikana ny teny latina hoe ''divinus inspirata'' sy ny teny grika hoe ''θεοπνευστος / theopneustos'' izay midika ara-bakiteny hoe "tsofin'Andriamanitra", araka ny hita ao amin'ny [[Epistily faharoa ho an'i Timoty]] (2Timoty 3.16-17). Tsy nandika ara-bakiteny ireo teny roa ireo ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy]].
Ny teny hoe tsindrimandry dia fandikana ny teny latina hoe ''divinus inspirata'' sy ny teny grika hoe ''θεοπνευστος / theopneustos'' izay midika ara-bakiteny hoe "tsofin'Andriamanitra", araka ny hita ao amin'ny [[Epistily faharoa ho an'i Timoty]] (2Timoty 3.16-17). Tsy nandika ara-bakiteny io teny hoe ''θεοπνευστος'' io ny [[Baiboly amin'ny teny malagasy]].


=== Dikan-teny grika sy latina ===
=== Dikan-teny grika sy latina ===

Endrik'io pejy io tamin'ny 1 Janoary 2019 à 14:33

Ny tsindrimandry dia fomba entin'ny andriamanitra na ny fanahy iray mampanao zavatra, indrindra mampita ny hafany amin'ny alalan'ny fampitenenana na ny fampanoratana ny olona izay manatanteraka izany tsy araka ny sitra-pony. Fandre io teny io tao amin'ireo fivavahana taloha (tao Egipta sy tao Grisia), na tao amin'ny fivavahana jiosy, ary heno ihany koa ny fampiasana izany ao amin'ny finoana silamo. Ao amin'ny fivavahana kristiana anefa no nandraiketana ny hevitra fonosiny ho foto-pampianarana sy tenim-pinoana ka ilazana fa ny Soratra Masina dia vokatry ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Tsy mitovy anefa ny fandraisan'ny fiangonana tsirairay izany teny izany fa ao ireo mandika azy ho toy ny sora-tononina mivantana avy amin'Andriamanitra nefa ao koa ireo izay manaiky ny fandraisan'anjaran'ny mpampandry an-tsoratra ny Soratra Masina ka manavaka ny zavatra nentin'ny maha olombelona ilay olona voatsindimandry sy ny hafatr'Andriamanitra ao anatin'izany Soratra Masina izany.

Ny teny hoe θεοπνευστος / theopneustos

Ny teny hoe tsindrimandry dia fandikana ny teny latina hoe divinus inspirata sy ny teny grika hoe θεοπνευστος / theopneustos izay midika ara-bakiteny hoe "tsofin'Andriamanitra", araka ny hita ao amin'ny Epistily faharoa ho an'i Timoty (2Timoty 3.16-17). Tsy nandika ara-bakiteny io teny hoe θεοπνευστος io ny Baiboly amin'ny teny malagasy.

Dikan-teny grika sy latina

"θεόπνευστος"

"πᾶσα γραφὴ θεόπνευστος καὶ ὠφέλιμος πρὸς διδασκαλίαν, πρὸς ἐλεγμόν, πρὸς ἐπανόρθωσιν, πρὸς παιδείαν τὴν ἐν δικαιοσύνῃ, ἵνα ἄρτιος ᾖ ὁ τοῦ θεοῦ ἄνθρωπος, πρὸς πᾶν ἔργον ἀγαθὸν ἐξηρτισμένος"[1].

"Divinitus inspirata"

"Omnis Scriptura divinitus inspirata utilis est ad docendum, ad arguendum, ad corripiendum, et erudiendum in justitia: ut perfectus sit homo Dei, ad omne opus bonum instructus."[2].

Dikan-teny malagasy

"Avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra"

"Satria ny Soratra rehetra avy amin'ny fanilovan'Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin'ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon'Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin'ny asa soa rehetra." (Ny Baiboly Masina (katolika)).

"Nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra"

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra". (Ny Baiboly (protestanta)).

"Avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra"

"Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin'ny herin'ny fanahy masin'Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon'Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin'ny asa tsara rehetra." (Ny Soratra Masina (Vavolombelon'i Jehovah)).

  1. Aland, B., Aland, K., Black, M., Martini, C. M., Metzger, B. M., & Wikgren, A. (1993). The Greek New Testament (4th ed., p. 554). of : United Bible Societies.
  2. Biblia Sacra juxta Vulgatam Clementinam. (2005) (Ed. electronica.). : Logos Bible Software.