Estera (ao amin' ny Baiboly): Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanisy sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1: Andalana faha-1:
[[Sary:Esther haram.jpg|vignette]]
[[Sary:Esther haram.jpg|vignette]]
I [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]], araka ny [[Bokin'i Estera]] ao amin'ny [[Baiboly]], dia vehivavy [[Jiosy]] (avy any Jodia) izay lasa vadin'ny mpanjakan'i Persia, atao hoe Ahasoerosy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin'i Hamana piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na ''Soza'' na ihany koa ''Sosana'') ny tantara tamin'ny nanjakan'i Ahasoerosy.
I [[Estera (ao amin'ny Baiboly)|Estera]], araka ny [[Bokin'i Estera]] ao amin'ny [[Baiboly]], dia vehivavy [[Jiosy]] (avy any [[Jodea]] na Jodia) izay lasa vadin'ny mpanjakan'i Persia, atao hoe Ahasoerosy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin'i Hamana piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na ''Soza'' na ihany koa ''Sosana'') ny tantara tamin'ny nanjakan'i Ahasoerosy.


== Ny anaran'i Estera ==
== Ny anaran'i Estera ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 19 Desambra 2018 à 17:49

I Estera, araka ny Bokin'i Estera ao amin'ny Baiboly, dia vehivavy Jiosy (avy any Jodea na Jodia) izay lasa vadin'ny mpanjakan'i Persia, atao hoe Ahasoerosy (na Kserksesy I), sady nanavotra ny Jiosy izay saika ringana araka ny fikasan-dratsin'i Hamana piraiministra. Niseho tao Persia, ao Sosa (na Soza na ihany koa Sosana) ny tantara tamin'ny nanjakan'i Ahasoerosy.

Ny anaran'i Estera

Hadasa no anaran'i Estera talohan'ny naha lasa vadin'ny mpanjaka azy. Ny anarana hoe Estera ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny hebreo (Tanakh) dia אסתר / Esther, ao amin'ny Baiboly jiosy amin'ny teny grika (Septoajinta) izy dia Εσθήρ / Esthêr ary ao amin'ny Baiboly katolika amin'ny teny latina (Volgata) izy dia Esther.

Tantara araka ny Bokin'i Estera

Zazavavy kamboty ray sy reny notezain'i Mordekay zana-drahalahin-drainy i Estera. Lasa vadin'i Ahasoerosy izy rehefa avy nisaotra an'i Vasty vadiny taloha ity mpanjaka ity. Nosafidin'ny mpanjaka tamin'ireo zazavavy tsara tarehy indrindra niseho teo anatrehany i Estera rehefa avy nandroaka an'i Vasty vadiny izay tsy nety niseho teo anatrehan'ny mpanjaka tamin'ny andro nanaovan'ny mpanjaka lanonana fiaraha-misakafo.

Nanao paikady niaraka tamin'i Mordekay (na Mardokea) i Estera mba tsy hampahomby ny tsikombakomba hamonoana ny mpanjaka. Tsy nanaiky haneho fanajana an'i Hamana i Mordekay fanajana namelona ny fankahalan'io praiminisitra io azy. Nanao tetika ny praiminisitra Hamana mba handringanana ny Jiosy sy ka nanao izay hahazoany ny faneken'ny mpanjaka Ahasoerosy an'izany. Tapake-vitra hanao izay hahafaty an'i Mordekay sy ny vahoaka jiosy i Hamana, ka nandresy lahatra ny mpanjaka mba hamoaka didy manome alalana azy hanatanterahany izany fandripahana izany. Nanomana hazo hanantonana an'i Mordekay i Hamana nefa nanao paikady hamonjena ny Jiosy mpiray tanindrazana aminy i Mordekay sy i Estera tamin'izany fotoana izany.

Naniraka an'i Estera i Mordekay mba handresy lahatra ny mpanjaka hanafoana ilay didy fanomezana alalana, na dia mety hahafaty azy aza ny fisehoany teo anatrehan'i Ahasoerosy izay tsy nanasa azy.

Niampanga an'i Hamana i Estera

Nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tetika handringanana ny mpiray tanindrazana aminy i Estera ka fantatry ny mpanjaka fa i Hamana no nitetika an'izany. Nahantona tamin'ny tady ny vozon'i Hamana, ary nanafoana ilay didy navoakany ny mpanjaka, ka nanome alalana ny Jiosy mba handringana ny fahavalony eran'ny fari-panjakàny.

Jereo koa: