Pakistàna: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra: mponina sy loharano
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra: mponina sy loharano
Andalana faha-77: Andalana faha-77:
== Jereo koa ==
== Jereo koa ==
* [[Firenena]]
* [[Firenena]]

{{vangovango}}


== Loharano ==
== Loharano ==
[[sokajy:Pakistan]]
[[sokajy:Firenena]]
<references />{{vangovango}}
[[sokajy:Pakistan]]
[[sokajy:Pakistan]]
[[sokajy:Firenena]]
[[sokajy:Firenena]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 28 Septambra 2018 à 10:24

اسلامی جمہوریۂ پاکستان Endrika:Ur
Islāmī Jumhūrīyah Pākistān ur
Islamic Republic of Pakistan en
Repoblika Islamikan'i Pakistan ((mg))
Sainan'i Pakistan Mari-piandrian'i Pakistan
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Iman, Ittehad, Nazm
(Finoana, Fivondronana, Fifehezana)
Teny ofisialy fiteny ordoa
fiteny anglisy
Renivohitra Islamabad
33°43′N 73°04′E / 33.717°N 73.067°E / 33.717; 73.067
Tanàna lehibe indrindra Karachi, Lahore
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika Islamika
Mamnoon Hussain
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 36
796 095 km²
Azo tsy raharahiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2014)
 - hakitroka
faha 6
188 020 000[1] mpo.
236 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina pakistaney
IDH (2009) mitombo 0,572[2] (antonony) faha-141
Sandam-bola Ropia pakistaney (PKR)
Faritr'ora UTC +5
Hiram-pirenena Qaumi Tarana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+92

Pakistàna dia firenena any amin'ny faritra atsimon'i Azia. Izany dia manaraka ny India, Iràna, Afghanistàna, ary Sina. Izany no fomba ofisialy antsoina hoe ny Repoblika Islamikan'i Pakistàna. Manana morontsiraka lavitra manamorona ny Ranomasina Arabia any atsimo. I Pakistàna dia manana ny isam-ponina fahaenina lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Ny velarantany manontolon'i Pakistàna dia 880.940 km² (miaraka amin'ny tany entin'i Pakistàna Azad Kashmir ary ny Gilgit Baltistàna). Izany dia manao an'i Pakistàna ho firenena faha-34 lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Islamabad no renivohitr'i Pakistàna, ary ny tafika pakistaney dia fahafito lehibe indrindra. Atao hoe Pakistaney na Pakistaný ny mponina ao Pakistàna.

Anarana

Ny anarana hoe Pakistan amin'ny fiteny ordoa sy fiteny persana dia midika "tanin'ny madio".

Mponina

Ny mponin'i Pakistana dia tokony ho 167 800 000 tamin’ny taona 2008. Eo amin’ny 1,9% eo ny fitombon'ny mponina raha 3% izany tamin'ny taona 1980. Mpifindra monina any ivelany, indrindra mankany amin’ny Fanjakana Mikambana (Angletera) sy Amerika Avaratra ary Arabia Saodita sy ireo firenena ao amin’ny Helodrano Persika, ny Pakistaney[3]. 2,3 % izany tamin'ny taona 2017. Miisa any amin'ny 207 000 000 ny mponina ao Pakistàna tamin'ny taona 2017[4].

Foko ao Pakistana

Ny vahoaka pakistaney dia fitambarana vahoaka maro, izay manana ny maha samihafa azy amin'ny lafiny kolontsaina sy ny fiteny. Efatra ny karazan'olona maro an'isa indrindra mitambatra hamorona ny Pakistaney, dia ny Penjaby izay mahasahana ny antsasa-manilan'ny mponina; ao koa ny Patàna na Pastona izay 15%n'ny mponina; ao koa ny Sindy izay 15%n'ny mponina; ary ny Balotsy 5%n'ny mponina[3].

Fivavahana

Raha amin'ny lafiny fivavahana kosa indray dia Silamo ny 97%n'ny mponina (75% araka an'i Christophe Jaffrelot[5]) ka ny 80% amin’izany Sonita fa ny 20% kosa Shiita. Misy ny fifanadrinana eo amin’ny Siita sy ny Sonita ka nahafaty olona 4000 izany tamin’ny taona 2007[6].

Vitsy an’isa kosa ny Hindoista (na Hindoa) (1,2%[7] hatramin'ny 2% [8]) izay iharan’ny herisetra. Vitsy an’isa koa ny ny Kristiana izay iharan’ny fanenjehana; ao koa ny Sika (miisa 300 000) sy ny Parsy (Zoroastriana) (miisa 20 000) ary ny Bodista[3] (miisa 10 000).

Fiteny

Fiteny manodidina ny 80 no tenenin’ny olona ao ka ny ankamaroany dia fiteny indo-iraniana. Ny be mpiteny amin’ireo dia ny fiteny penjaby (48%); avy eo ny fiteny pashto (15%), ny fiteny sindy (14%) ary ny fiteny balotsa (3%) ary ny fiteny seraiky. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny sindy no fiteny ofisialy. Fiteny ofisialy ny fiteny ordoa (7 - 8%)[3]. Ny fiteny balotsy, hazaragy ary kashemiry no fitenim-paritra vitsy mpampiasa kokoa.

Jereo koa

Loharano

  1. ((en)) Pakistan Economic Survey 2013-14
  2. PNUD, « Human development indices ». Novangiana tamin'ny 12 octobre 2009
  3. 3,0 3,1 3,2 et 3,3 "Pakistan" in Microsoft Encarta 2009
  4. Résultats préliminaires du recensement de 2017 [tahiry].
  5. Christophe Jaffrelot, "Le Pakistan miné par les affrontements entre sunnites et chiites: Gouvernants et puissances étrangères attisent les divisions communautaires", Le Monde diplomatique,‎ décembre 2013 [tahiry].
  6. "Affrontements meurtriers entre chiites et sunnites au Pakistan", dans Le Monde du 07/04/2007, [tahiry].
  7. Carl Skutsch, Encyclopedia of the World's Minorities, Routledge, 7 novembre 2013 (ISBN 978-1-135-19388-1, vakio eto tahiry), p. 553.
  8. "Table: Religious Composition by Country, in Numbers" [tahiry], ao a amin'ny Pew Research Center's Religion & Public Life Project, 18 décembre2012.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.