Epistily ho an' ny Kôlôsiana: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Famintinana
Andalana faha-3: Andalana faha-3:
== Ny anaran'ny boky ==
== Ny anaran'ny boky ==
''Επιστολή προς Κολοσσαείς'' / ''Epistolê pros Kolossaeis'' no fiantsoana azy amin'ny teny grika fa ''Epistula ad Colossenses'' kosa amin'ny teny latina.

== Fanintinana ==
Tsy i Paoly no nanorina ny fiangonana tao Kolosia fa i Epafrasy izay nitory ny vaovao mahafaly tao (Kol. 1.7). Eny am-panombohana ny taratasiny i Paoly dia miarahaba ny mpamaky azy sy manome voninahitra an'Andriamanitra ary mivavaka (1.1-11). Soritsoritany mazava ny amin’i Kristy sy ny asa fanavotana nataony ka ilazany fa amin’ny firaisana amin’i Kristy ihany no misy ny fahasambarana fa tsy araka izay lazain’ireo mpampianatra mandainga (Kol. 1.12-23 ; 2.6-19). Lazalazain’i Paoly koa ny ady atrehiny hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao mahafaly tamin’ireo Kristiana kolosiana sy laodikeana (Kol. 1.24 – 2.5).

Mampitandrina mialoha ny Kristiana ao Kolosia i Paoly mba tsy ho voataonan’ny fampianarana mifanohitra amin’ny fampianaran'i Kristy. Izany fampianarana tsy izy izany dia manankina ny famonjena amin’ny fahalalana izay fantatra taty aoriana amin'ny anarana hoe gnostisisma. Ny Fiangonana dia vatan’i Kristy, hoy i Paoly (Kol. 1.15-20). Ampahatsiahivin’ny Paoly ny fototra iorenan’ny vaovao mahafaly. Izany fampianara-diso izany dia ny fampianaran’ny filozofa (Kol. 2.8) izay mampifangaro finoana isan-karazany amin’ny fivavahana jiosy (toy ny fivavahana amin’ny anjely sy ny tsy maintsy hanatanterahana famoràna) izay miendrika fampijalian-tena hahazoana famonjena (Kol. 2.20-23).

Mananatra ny Kristiana mba tsy hino afa-tsy i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana sy nitsangan-ko velona i Paoly. Ny finoana an’i Kristy, hoy i Paoly, no manafaka amin’ny fahendren’izao tontolo izao izay tsy marina sy amin’ny fitandremana ny Lalàna. Manambara i Paoly fa ny fiainana kristiana dia fiainan’ny olona afaka (Kol. 2.20-3.5) sady anjakan’ny fitiavana sy ny fiadanana (Kol. 3.6-17) izay tsapa eo amin’ny fianan’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina (Kol. 3.18-4.6).

== Jereo koa ==
== Jereo koa ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 11 Jiona 2018 à 09:47

Ny Epistily ho an'ny Kolosiana na Kolosiana dia boky hita ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Testamenta Vaovao izay isan'ny atao hoe epistily. Taratasy nalefan'ny Apostoly Paoly ho an'ny fiangonana kristiana tany Kolosy izany. Tokony ho teo anelanelan'ny taona 60 sy 63 no nanoratana azy.

Ny anaran'ny boky

Επιστολή προς Κολοσσαείς / Epistolê pros Kolossaeis no fiantsoana azy amin'ny teny grika fa Epistula ad Colossenses kosa amin'ny teny latina.

Fanintinana

Tsy i Paoly no nanorina ny fiangonana tao Kolosia fa i Epafrasy izay nitory ny vaovao mahafaly tao (Kol. 1.7). Eny am-panombohana ny taratasiny i Paoly dia miarahaba ny mpamaky azy sy manome voninahitra an'Andriamanitra ary mivavaka (1.1-11). Soritsoritany mazava ny amin’i Kristy sy ny asa fanavotana nataony ka ilazany fa amin’ny firaisana amin’i Kristy ihany no misy ny fahasambarana fa tsy araka izay lazain’ireo mpampianatra mandainga (Kol. 1.12-23 ; 2.6-19). Lazalazain’i Paoly koa ny ady atrehiny hampandrosoana ny fitoriana ny vaovao mahafaly tamin’ireo Kristiana kolosiana sy laodikeana (Kol. 1.24 – 2.5).

Mampitandrina mialoha ny Kristiana ao Kolosia i Paoly mba tsy ho voataonan’ny fampianarana mifanohitra amin’ny fampianaran'i Kristy. Izany fampianarana tsy izy izany dia manankina ny famonjena amin’ny fahalalana izay fantatra taty aoriana amin'ny anarana hoe gnostisisma. Ny Fiangonana dia vatan’i Kristy, hoy i Paoly (Kol. 1.15-20). Ampahatsiahivin’ny Paoly ny fototra iorenan’ny vaovao mahafaly. Izany fampianara-diso izany dia ny fampianaran’ny filozofa (Kol. 2.8) izay mampifangaro finoana isan-karazany amin’ny fivavahana jiosy (toy ny fivavahana amin’ny anjely sy ny tsy maintsy hanatanterahana famoràna) izay miendrika fampijalian-tena hahazoana famonjena (Kol. 2.20-23).

Mananatra ny Kristiana mba tsy hino afa-tsy i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana sy nitsangan-ko velona i Paoly. Ny finoana an’i Kristy, hoy i Paoly, no manafaka amin’ny fahendren’izao tontolo izao izay tsy marina sy amin’ny fitandremana ny Lalàna. Manambara i Paoly fa ny fiainana kristiana dia fiainan’ny olona afaka (Kol. 2.20-3.5) sady anjakan’ny fitiavana sy ny fiadanana (Kol. 3.6-17) izay tsapa eo amin’ny fianan’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina (Kol. 3.18-4.6).

Jereo koa

Ireo Epistilin'i Paoly:

Epistily ho an'ny Romana,

Epistily voalohany ho an'ny Korintiana,

Epistily faharoa ho an'ny Korintiana,

Epistily ho an'ny Galatiana,

Epistily ho an'ny Efesiana,

Epistily ho an'ny Filipiana,

Epistily ho an'ny Kolosiana,

Epistily voalohany ho an'ny Tasaloniana,

Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana,

Epistily voalohany ho an'i Timoty,

Epistily faharoa ho an'i Timoty, Epistily ho an'i Titosy,

Epistily ho an'i Filemona