Bokin' ny Jobily: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Faingo
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-14: Andalana faha-14:
* [[Apokrifan'ny Baiboly]]
* [[Apokrifan'ny Baiboly]]
* [[Boky deoterokanonika]]
* [[Boky deoterokanonika]]

[[sokajy:Bokin'ny Testamenta Taloha]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 7 Aprily 2018 à 21:39

Ny Bokin'ny Jobily dia boky tsy hita afa-tsy ao amin’ny Baiboly ortodoksa etiopiana. Ny tanjon’ilay boky dia ny hamporisika ny Jiosy amin’ny fifikirana amin’ny Torah (Lalàn'i Mosesy), amin’ny fotoana nahatonga ny Jiosy hiharan’ny kolontsaina jentilisa.

Misy ny tantaran’izao tontolo izao (ny niandohany sy ny hiafarany) araka ny nitantaran’ny “anjelin’ny fanatrehana” an’izany tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay io boky io. Ny ampahany be amin’ny fitantarana, izay miendrika angano, dia manampy ny fitantarana ao amin’ny Bokin'ny Genesisy sy ny Bokin'ny Eksodosy (hatramin’ny toko faha-12) mba haneho ny maha ambony lanja indrindra ny Torah. Voatantara ao hatramin’ny Famorona izao tontolo izao ka hatramin’ny nanorenana ny fetin'ny Paska jiosy. Voaresaka koa ny amin’ireo Patriarka hebreo. Ny fahotana nataon’ny Hebreo izay voasoratra ao amin’ny Baiboly dia tsy voaresaka firy ao. Ahitana lohahevitra momba ny fiafaran’izao tontolo izao (apokaliptika sy eskatolojika) ny ao amin’ilay boky ka ahafahana mahazo bebe kokoa ireo lohahevitra eskatolojikan’ny boky ao amin’ny Testamenta Taloha sy Testamenta Vaovao.

Ny Bokin’ny Jobily dia tsy hita na ao amin’ny Baiboly hebreo (Tanakh) na ao amin’ny Septoaginta na Septanta koa io boky io. Ny Katolika sy Protestanta ary ny Ortodoksa tatsinanana, dia manasokajy azy ho apokrifa na pseodepigrafa.

Ny anaran’ny boky

Mahazo ny lanjany manokana ao amin’io boky io ny amin’ny fito herinandron-taona (49 taona) izay itsinjarany ny fotoana tantarainy ka io fe-potoana izay atao hoe “jobily” no nanomezana anarana an’ilay boky. Atao hoe Genesisy Kely noho izy mandray na manova fotsiny ny fomba filaza ao amin’ny Bokin’ny Genesisy na koa mameno izay banga ao. Anaran’io boky io koa ny hoe Testamentan'i Mosesy na Apokalipsan'i Mosesy. Ao amin’ny Baiboly ortodoksa etiopiana izy dia atao hoe koa Bokin'ny Fizaràna (amin’ny fiteny geza: መጽሃፈ ኩፋሌ / Mets'hafe Kufale), izany hoe ny fizarànan’ny fotoana ho 49 taona izay mbola mizara ho fito taona fito.

Jereo koa: