Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Andalana faha-70: Andalana faha-70:
* Ny ''Yom Yerushalayim'' (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 Iyyar;
* Ny ''Yom Yerushalayim'' (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 Iyyar;
* Ny ''Shavuot'' (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny [[varimbazaha]] sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 Sivan.
* Ny ''Shavuot'' (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny [[varimbazaha]] sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 Sivan.

== Jereo koa: ==

* [[Hebreo (mponina)|Hebreo]]
* [[Fiteny hebreo]]

* [[Abidy hebreo]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 5 Aprily 2018 à 09:55

Tetiandro jiosy maneho ny volana Adara II tanelanelan'ny taona 1927 sy 1948.

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy sy ny fanjakan'i Israely ankehitriny. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny volana sy ny masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. Misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'i Metona (filozofa grika tamin'ny taonjato faha-5). Avy amin'io tetiandro io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny fizaràm-potoana ao amin'ny tetiandro hebreo

Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro. Ny herinandro dia manomboka amin'ny Alahady ary mifarana amin'ny Asabotsy. Ny iray volana (hebreo: חודש / hodesh) dia manomboka amin'ny andro ahatsinanan'ny volana. Ny taona iray dia misy 12 volana nefa indraidray mety hisy 13 volana.

Ny anaran'ny andro

Fito ny andro ao anatin'ny iray herinandro amin'ny tetiandro hebreo. Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ao amin'ny andro eo alohany fa tsy amin'ny misasak'alina. Tsy manana ny anarany manokana ny andro tsirairay fa antsoina amin'ny laharany ka ny mifanandrify amin'ny Alahady no andro voalohany ary ny mifanandrify amin'ny Asabotsy no andro fahafito. Ireto avy izy ireo:

  1. Yom Rishon / יום ראשון‬ izay midika hoe "andro voalohany" (Alahady)
  2. Yom Sheni / יום שני‬ izay midika hoe "andro faharoa" (Alatsinainy)
  3. Yom Shlishi / יום שלישי‬ izay midika hoe "andro fahatelo" (Talata)
  4. Yom Reviʻi / יום רביעי‬ izay midika hoe "andro fahefatra" (Alarobia)
  5. Yom Chamishi / יום חמישי‬ izay midika hoe "andro fahadimy" (Alakamisy)
  6. Yom Shishi / יום ששי‬ izay midika hoe "andro fahenina" (Zoma)
  7. Yom Shabbat / יום שבת‬ izay midika hoe "andro fitsaharana" (Asabotsy).

Ny Yom Shabbat (יום שבת‬ ) dia azo hafohezina hoe Shabbat (שבת) fotsiny na halavaina hoe Yom Shabbat Kodesh (יום שבת קודש‬) izay midika hoe "andro fitsaharana masina".

Ny anaram-bolana

Ny anaram-bolana talohan'ny Fahababoana

Ny ao amin'ny Baiboly dia voalaza fa ny taona iray misy 12 volana (1Mpan. 4.7 sy 1Tant. 27.1-15) ary ny soratra ao amin'ny Genesisy dia hoatry ny milaza fa ny volana tsirairay dia misy 30 andro (Gen. 7.11; 8.3-4; 8.13-14). Hafa ny anaram-bolana nampiasain'ny Hebreo talohan'ny fahababoana fa tsy mitovy amin'ny ampiasaina amin'izao. Amin'ny ankapobeny dia ny laharan'ny volana ao amin'ny taona no natao anaran'ny volana. Misy anaram-bolana vitsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly, dia ireo nogasina hoe Abiba (hebreo: אביב /Aviv), Ziva (hebreo: /Ziv), Etanima (hebreo: אֵתָנִים/Ethanim) ary Bola (hebreo: /Bul). Ny Abiba dia volana voalohany, ny Ziva no faharoa, ny Etanima no fahafito, ny Bola no fahavalo. Heverina ho avy amin'ny anaram-bolana kananita izy ireo.

Ny volalan Aviv (midika ara-bakiteny hoe "lohataona") dia voaresaka ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy sy ny Bokin'ny Deoteronomia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1). Ny volana Ziv (midika ara-bakiteny hoe "fahazavana") dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.1; 6.37). Ny volana Ethanim (midika ara-bakiteny hoe "mahery", endrika milaza maro) dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 8.2). Ny volana Bul dia voaresaka ao amin'ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpan. 6.38).

Ny anaram-bolana taorian'ny Fahababoana

Ireto avy ny anaran'ny volana ao anatin'ny taona iray izay heverina fa avy amin'ny anaram-bolana babiloniana:

  1. Tishri (hebreo: תשרי) eo anelanelan'ny Septambra sy Oktobra (30 andro);
  2. Heshvan (hebreo: חשון) eo anelanelan'ny Oktobra sy Novambra (29 na 30 andro);
  3. Kislev (hebreo: כסלו) eo anelanelan'ny Novambra sy Desambra (30 andro);
  4. Tevet (hebreo: טבת) eo anelanelan'ny Desambra sy Janoary (29 andro);
  5. Shevat (hebreo: שבט) eo anelanelan'ny Janoary sy Febroary (30 andro);
  6. Adar (hebreo: אדר א) eo anelanelan'ny Febroary sy Marsa (29 andro);
  7. Nisan (hebreo: ניסן) eo anelanelan'ny marsa sy Avrily (30 andro);
  8. Iyar (hebreo: איר) eo anelanelan'ny Avrily sy May (29 andro);
  9. Sivan (hebreo: סיון) eo anelanelan'ny may sy Jona (30 andro);
  10. Tammuz (hebreo:תמוז) eo anelanelan'ny Jona sy Jolay (29 andro);
  11. Av (hebreo: אב) eo anelanelan'ny Jolay sy Aogositra (30 andro);
  12. Elul (hebreo: אלול) eo anelanelan'ny Aogositra sy Septambra (29 andro).

Ao amin'ny Baiboly dia ny volana Nisana (Nisan) no voalohany ary ny Adara (Adar) no faha-12. Ny Adar I izany dia volana faha-13 (30 andro) ka toy izao ny filaharan'ny volana ao anatin'ny taona:

  1. Nisan
  2. Iyar
  3. Sivan
  4. Tammuz
  5. Av
  6. Elul
  7. Tishri
  8. Heshvan
  9. Kislev
  10. Tevet
  11. Shevat
  12. Adar

Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampiana Adar I ('אֲדָר ב) izay apetraka ao aorian'ny Shevat ny Adar II (אדר א). Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355. Marihina fa ny salan'ny taona manaraka ny fihodin'ny masoandro dia maharitra 365 andro sy 1/4.

Ny fety jiosy araka ny tetiandro hebreo

Maromaro ireo andro ankalazain'ny Jiosy ka ny sasany efa natao araka ny voasoratra ao amin'y Tanakh fa ny sisa niforona taty aoriana. Ireto avy ireo fety jiosy ankalazaina isan-taona:

  • Ny Rosh ha-Shana (hebreo: רֹאשׁ הַשָּׁנָה "fiantombohan'ny taona" na יוֹם תְּרוּעָה‬ /Yom Teruah "androm-piantsoana"); ankalazana ny taom-baovao ivelan'ny fivavahana; ankalazaina amin'ny 1 sy 2 Tishri (ny taom-baovaom-pivavahana dia ny 1 Nisan);
  • Ny Yom Kippur (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר‬ na יום הכיפורים / Yom ha-Kippurim "andron'ny famelan-keloka") anaovana fifadian-kanina sy vavaka be; tanterahina amin'ny 10 Tishri;
  • Ny Sukkot (hebreo: חַג הַסֻּכּוֹת / Hag ha-Sukkot "fetin'ny trano lay" na "fetin'ny tabernakely"); ahatsiarovana an-kafaliana ny nanampian'Andriamanitra ny Zanak'i Isiraely tamin'ny nivoahany avy any Ejipta sy iravoravoana amin'ny fahataperan'ny tsingerin'ny fotoam-pambolena amin'ny taona; ankalazaina manomboka amin'y 15 hatramin'ny 21 (na 22) Tishri;
  • Ny Shemini Atseret (hebreo:שְׁמִינִי עֲצֶרֶת‬ "valo andro fivoriana" na יּוֹם הַשְּׁמִינִי עֲצֶרֶת / Yom ha-Shemini Atseret "fetim-pamaranana amin'ny faha-valo andro"); anombohan'ny fotoana irotsahan'ny rononorana ao Israely; ankalazaina amin'ny 22 Tishri;
  • Ny Simkhat Torah (hebreo: שמחת תורה / "hafalian'ny Lalàna"); ankalazana ny Torah ("Lalàna") ka itondrana am-pilaharana ny horonam-boky mirakitra azy; tanterahina amin'ny 22 sy 23 Tishri;
  • Ny Khanukka (hebreo: חג החנוכה / Hag ha-Khanukka "fetin'ny fanorenana"); ahatsiarovana ny fitokanana indray ny alitara fanaovam-panatira ao amin'ny Tempoly faharoa ao Jerosalema, tamin'ny fiverenana amin'ny fanompoam-pivavahana jiosy, telo taona taorian'ny nandraran'i Antiokosy IV (Seleokida).
  • manomboka amin'ny 25 Kislev hatramin'ny 2 Tevet;
  • Ny Tu bi-Shevat (hebreo: ט"ו בִּשְׁבָט na חֲמִשָּׁה עָשָׂר בִּשְׁבָט / "dimy ambin'ny folo andron'ny Shevat"); taom-baovaon'ny hazo; ankalazaina amin'ny 15 Shevat;
  • Ny Purim (hebreo: פּוּרִים / He-Purim); ahatsiarivana ny nanavotan'i Estera ny Jiosy tamin'ny fanenjehan'i Hamana; ankalazaina amin'ny 14 (sy 15) Adar;
  • Ny Pesakh (hebreo: פֶּסַח) io no Paska jiosy; ahatsiarovana ny nandalovan'ny fahafatesana eny ambonin'ny tranon'ireo Jiosy ka tsy nahafaty ny voalohan-terany sady ahatsiarovana koa ny fivoahan'ny razany avy tamin'ny fanandevozana tany Ejipta; ankalazina manomboka amin'ny 15 hatramin'ny 22 Nisan;
  • Ny Yom ha-Shoah (hebreo: יום השואה "andron'ny Shoa"); ahatsiarovana ny fandripahana Jiosy nataon'ny fitondrana Nazi; ankalazaina amin'ny 28 Nisan;
  • Ny Yom haTsikaron (hebreo: יוֹם הַזִּכָּרוֹן‬ "andro fahatsiarovana"); ahatsiarovana ireo miaramila Israeliana matin'ny ady sy ny asa fampihorohoroana; ankalazaina amin'ny 4 Iyyar;
  • Nhy Yom haAtzma’ut (hebtreo: יום העצמאות "andron'ny fahaleovan-tena"); ahatsiarovana ny fiforonan'ny Fanjakana Israeliana; ankalazaina amin'ny 5 Iyyar;
  • Ny Lag baOmer (hebreo: לַ״ג בָּעוֹמֶר‎‎ "telo amby telopolo andro ao amin'ny omera") ankalazaina amin'ny 18 Iyyar;
  • Ny Yom Yerushalayim (hebreo: יום ירושלים "andron'i Jerosalema"); ahatsiarovana ny fanafahana sy ny nahazoan'ny tafika israeliana an'i Jerosalema tamin'ny taona 7 Jona 1967 (28 Iyyar taona 5727) amin'ny 28 Iyyar;
  • Ny Shavuot (hebreo: שבועות "herinandro") ankalazana ny fijinjana ny varimbazaha sy ahatsiarovana ny nanomezan'Andriamanitra ny Torah tany an-tendrombohitra Sinay; ankalazaina amin'ny 6 Sivan.

Jereo koa: