Tetiandro hebreo: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Naniratra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Andalana faha-19: Andalana faha-19:
# Tishri (hebreo: תשרי) eo anelanelan'ny Septambra sy Oktobra (30 andro);
# Tishri (hebreo: תשרי) eo anelanelan'ny Septambra sy Oktobra (30 andro);
# Heshvan (hebreo: חשון) eo anelanelan'ny Oktobra sy Novambra (29 na 30 andro);
# Heshvan (hebreo: חשון) eo anelanelan'ny Oktobra sy Novambra (29 na 30 andro);
# Tislev (hebreo: כסלו) eo anelanelan'ny Novambra sy Desambra (30 andro);
# Kislev (hebreo: כסלו) eo anelanelan'ny Novambra sy Desambra (30 andro);
# Tevet (hebreo: טבת) eo anelanelan'ny Desambra sy Janoary (29 andro);
# Tevet (hebreo: טבת) eo anelanelan'ny Desambra sy Janoary (29 andro);
# Shevat (hebreo: שבט) eo anelanelan'ny Janoary sy Febroary (30 andro);
# Shevat (hebreo: שבט) eo anelanelan'ny Janoary sy Febroary (30 andro);
Andalana faha-38: Andalana faha-38:
# Tishri
# Tishri
# Heshvan
# Heshvan
# Tislev
# Kislev
# Tevet
# Tevet
# Shevat
# Shevat

Endrik'io pejy io tamin'ny 21 Martsa 2018 à 15:07

Ny Tetiandro hebreo dia tetiandro ampiasaina ao amin'ny fivavahana jiosy. Tetiandro manaraka ny fihodin'ny volana sy ny masoandro ny tetiandro hebreo, ka ny iray volana dia miovaova ho 29 na 30 andro. misy iray volana fanampiny izay asisika isaky ny telo taona satria tokony ho feno ny tsingerim-potoana 19 taona atao hoe Tsingerin'ny Metona. Avy amin'io no nahazoana ny Tetiandro jiosy izay ampiasain'ny Fanjakana Israeliana.

Ny fizaràm-potoana ao amin'ny tetiandro hebreo

Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro. Ny herinandro dia manomboka amin'ny Asabotsy ary mifarana amin'ny Zoma. Ny iray volana (hebreo: חודש / hodesh) dia manomboka amin'ny andro ahatsinanan'ny volana. Ny taona iray dia misy 12 volana nefa indraidray mety hisy 13 volana.

Ny anaran'ny andro

Fito ny andro ao anatin'ny iray herinandro amin'ny tetiandro hebreo. Ny andro iray dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ao amin'ny andro eo alohany fa tsy amin'ny misasak'alina. Tsy manana ny anarany manokana ny andro tsirairay fa antsoina amin'ny laharany ka ny mifanandrify amin'ny Alahady no andro voalohany ary ny mifanandrify amin'ny Asabotsy no andro fahafito. Ireto avy izy ireo:

  1. Yom Rishon / יום ראשון‬ izay midika hoe "andro voalohany" (Alahady)
  2. Yom Sheni / יום שני‬ izay midika hoe "andro faharoa" (Alatsinainy)
  3. Yom Shlishi / יום שלישי‬ izay midika hoe "andro fahatelo" (Talata)
  4. Yom Reviʻi / יום רביעי‬ izay midika hoe "andro fahefatra" (Alarobia)
  5. Yom Chamishi / יום חמישי‬ izay midika hoe "andro fahadimy" (Alakamisy)
  6. Yom Shishi / יום ששי‬ izay midika hoe "andro fahenina" (Zoma)
  7. Yom Shabbat / יום שבת‬ izay midika hoe "andro fitsaharana" (Asabotsy).

Ny Yom Shabbat (יום שבת‬ ) dia azo hafohezina hoe Shabbat (שבת) fotsiny na halavaina hoe Yom Shabbat Kodesh (יום שבת קודש‬) izay midika hoe "andro fitsagarana masina".

Ny anaram-bolana

Ireto avy ny anaran'ny volana ao anatin'ny taona iray:

  1. Tishri (hebreo: תשרי) eo anelanelan'ny Septambra sy Oktobra (30 andro);
  2. Heshvan (hebreo: חשון) eo anelanelan'ny Oktobra sy Novambra (29 na 30 andro);
  3. Kislev (hebreo: כסלו) eo anelanelan'ny Novambra sy Desambra (30 andro);
  4. Tevet (hebreo: טבת) eo anelanelan'ny Desambra sy Janoary (29 andro);
  5. Shevat (hebreo: שבט) eo anelanelan'ny Janoary sy Febroary (30 andro);
  6. Adar (hebreo: אדר א) eo anelanelan'ny Febroary sy Marsa (29 andro);
  7. Nisan (hebreo: ניסן) eo anelanelan'ny marsa sy Avrily (30 andro);
  8. Iyar (hebreo: איר) eo anelanelan'ny Avrily sy May (29 andro);
  9. Sivan (hebreo: סיון) eo anelanelan'ny may sy Jona (30 andro);
  10. Tammuz (hebreo:תמוז) eo anelanelan'ny Jona sy Jolay (29 andro);
  11. Av (hebreo: אב) eo anelanelan'ny Jolay sy Aogositra (30 andro);
  12. Elul (hebreo: אלול) eo anelanelan'ny Aogositra sy Septambra (29 andro).

Ao amin'ny Baiboly dia ny volana Nisana (Nisan) no voalohany ary ny Adara (Adar) no faha-12. Ny Adar I izany dia volana faha-13 (30 andro) ka toy izao ny filaharan'ny volana ao anatin'ny taona:

  1. Nisan
  2. Iyar
  3. Sivan
  4. Tammuz
  5. Av
  6. Elul
  7. Tishri
  8. Heshvan
  9. Kislev
  10. Tevet
  11. Shevat
  12. Adar

Raha ilaina ny hanampy iray volana dia ampiana Adar I ('אֲדָר ב) izay apetraka ao aorian'ny Shevat ny Adar II (אדר א). Ny totalin'ny andro ao anatin'ny taona iray dia mety ho 353, 354 na 355.