Ezra: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanisy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy sy fanampiny kely
Andalana faha-11: Andalana faha-11:


=== Fanoratana boky ===
=== Fanoratana boky ===
Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanonika mitondra ny anarany, dia ny [[Bokin’i Ezra]] na Bokin’i Esdrasa. Misy boky apokrifa na pseodepigrafika maro koa izay mitondra ny anarany dia ny [[Boky voalohan'i Esdrasa|1 Esdrasa]] sy ny [[Boky faharoan'i Esdrasa|2 Esdrasa]]. Ity farany dia atao hoe koa [[Apokalipsan'i Esdrasa]].
Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanonika mitondra ny anarany, dia ny [[Bokin'i Ezra|Bokin’i Ezra]] na Bokin’i Esdrasa. Misy boky apokrifa na pseodepigrafika maro koa izay mitondra ny anarany dia ny [[Boky voalohan'i Esdrasa|1 Esdrasa]] sy ny [[Boky faharoan'i Esdrasa|2 Esdrasa]] ao amin'ny fandaharana ny apokrifa amin'ny teny anglisy (na [[Boky fahatelon'i Esdrasa|3 Esdrasa]] sy [[Boky faharoan'i Esdrasa|4 Esdrasa]] ao amin'ny Volgata). Io atao hoe "faharoa" na "fahefatra" io dia fantara amin'ny anarana hoe koa [[Apokalipsan'i Esdrasa]] sady kanonika ao amin’ny Fiangonana kopta ortodoksa (ao Ejipta) sy ao amin'ny Fiangonana etiopiana ortodoksa.


== Jereo koa: ==
== Jereo koa: ==

Endrik'io pejy io tamin'ny 21 Febroary 2018 à 10:56

Mamaky ny Lalàna eo anatrehan'ny vahoaka i Ezra, nataon'i Gustave Doré, taona 1866.

I Ezra na Esdrasa dia olona resahina ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly kristiana, indrindra ao amin’ny Bokin'i Ezra (na Bokin'i Esdrasa) sy ny Bokin'i Nehemia, sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilona izay niverina an-taniny tao Jerosalema tamin’ny tokony hotamin'ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady mpisorona izy no mpanoradalàna, izay velona teo anelanelan’ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalàna na Esdrasa Mpanoradalàna koa izy (hebreo : עזרא הסופר‬ /Ezra ha-Sofer).

Ny asa nataon'i Ezra

Fanavaozana ny fivavahana jiosy

Nitana anjara lehibe teo amin’ny fanavaozana ny fivavahana jiosy taorian’ny Fahababoana i Ezra. I Ezra dia heverin’ny sasany ho mpanorina faharoa (taorian’ny Mosesy) ny firenena jiosy. Izy no nipoiran’ny fampanjariana fehezan-dalàna ireo fitsipika isan-karazany nifehy ny fivavahana sy ny fiaraha-monina jiosy, indrindra ireo izay mifehy ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Tempoly sy ny famaritana ny boky filamatry ny finoana (boky kanonika). Nandray anjara betsaka tamin’ny fanoloana ny mpisorona ho mpampianatra (na raby, hebreo: רַב / rav) izy.

Fanorenana indray ny Tempoly

Izy no nitondra ny andiany faharoa tamin’ireo Jiosy nody an-tanindrazana taorian’ny Fahababoana avy any Babilona mba hanorina indray ny Tempoly ao Jerosalema izay noravan’ireo Babiloniana tany aloha.

Fanoratana boky

Araka ny lovantsofina dia i Ezra (na Esdrasa) no nanoratra ny boky kanonika mitondra ny anarany, dia ny Bokin’i Ezra na Bokin’i Esdrasa. Misy boky apokrifa na pseodepigrafika maro koa izay mitondra ny anarany dia ny 1 Esdrasa sy ny 2 Esdrasa ao amin'ny fandaharana ny apokrifa amin'ny teny anglisy (na 3 Esdrasa sy 4 Esdrasa ao amin'ny Volgata). Io atao hoe "faharoa" na "fahefatra" io dia fantara amin'ny anarana hoe koa Apokalipsan'i Esdrasa sady kanonika ao amin’ny Fiangonana kopta ortodoksa (ao Ejipta) sy ao amin'ny Fiangonana etiopiana ortodoksa.

Jereo koa: