Mônôteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nampiditra koa ny zoroastrisma
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanasaraka fehezanteny sy nanisy rohy
Andalana faha-5: Andalana faha-5:


== Monoteisma ao amin’ny fivavahana kristiana ==
== Monoteisma ao amin’ny fivavahana kristiana ==
Ny Kristiana dia monoteista nefa misy fahasamihafana amin’ny finoan’ny Hebreo ny finoany an’Andriamanitra satria ny maro aminy dia mino fa Andriamanitra dia “Telo Izay Iray” na [[Trinite]]: izany hoe Andriamanitra tokana manana persona telo (ny hoe ''persona'' dia tsy nataon’ny teolojiana miteny malagasy hoe ''tena'' fa nionona amin’ny fanagasiana ny teny latin hoe ''persona'' na ny teny frantsay hoe ''personne'' na ny teny anglisy hoe ''person'' izy ireo).
Ny Kristiana dia monoteista nefa misy fahasamihafana amin’ny finoan’ny Hebreo ny finoany an’Andriamanitra.
Ny maro amin'ny Kristiana dia mino fa Andriamanitra dia “Telo Izay Iray” na [[Trinite]]: izany hoe Andriamanitra tokana manana persona telo.Ny hoe ''persona'' dia tsy nataon’ny teolojiana miteny malagasy hoe ''tena'' fa nionona amin’ny fanagasiana ny teny latina hoe ''persona'' na ny teny frantsay hoe ''personne'' na ny teny anglisy hoe ''person'' izy ireo.


Tsy mifanaraka amin’ny monoteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan’ireo niforona avy amin’ny [[Reformasiona]] (na Reforma) izay tsy manaiky ny Trinite. Izy ireo dia manohana ny atao hoe [[onitarisma]] – izany hoe Andriamanitra dia tsy persona telo fa tokana. I Fausto Socin dia namorona ny fiangonana manohitra ny Trinite tao Eoropa Atsinanana atao hoe “Rahalahy Poloney”. Ny onitarisma dia niitatra tamin’ny taonjato faha-19 tany amin’ireo firenene anglo-saksona sy tany Amerika Latina. Maro koa ireo fivavahana kristiana izay manohitra ny Trinite – ka isan’ireny ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon’i Jehovah]].
Tsy mifanaraka amin’ny monoteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan’ireo niforona avy amin’ny [[Reformasiona]] (na Reforma) izay tsy manaiky ny Trinite. Izy ireo dia manohana ny atao hoe [[onitarisma]] – izany hoe Andriamanitra dia tsy persona telo fa tokana. I Fausto Socin dia namorona ny fiangonana manohitra ny Trinite tao Eoropa Atsinanana atao hoe “Rahalahy Poloney”. Ny onitarisma dia niitatra tamin’ny taonjato faha-19 tany amin’ireo firenene anglo-saksona sy tany Amerika Latina. Maro koa ireo fivavahana kristiana izay manohitra ny Trinite – ka isan’ireny ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon’i Jehovah]].
Andalana faha-18: Andalana faha-20:


* [[Henoteisma]]
* [[Henoteisma]]
* [[Ateisma]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 13 Febroary 2018 à 11:48

Ny monoteisma dia finoana andriamanitra tokana na finoana ny maha tokana an’Andriamanitra. Ny politeisma – izay finoana andriamanitra maro, no tena mazava ny fifanoherany aminy. Telo ny fivavahana fantatra mazava fa monoteista, dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Ny monoteisma dia angamba namboka tany amin’ny taonjato faha-14 tal. J.K., niaraka amin’ny nanombohan’ny faraôna Amenofisy IV nivavaka tamin’i Atona, andriamanitra masoandro, izay ninoana fa fara tampony sady tokana. Ny zoroastrisma dia fivavahana tany Persia izay azo lazaina koa ho monoteisma. Nefa ny fotoana fantatra mazava nipoiran’ny monoteisma dia tamin’ny fandraisan’ireo Hebreo ny fivavahana amin’Andriamanitra, dia ilay andriamanitra tokana, indrindra tamin’ny fivoahan’izy ireo avy tao Ejipta.

Monoteisma tao amin’ny fivavahana hebreo sy jiosy

Ilay andriamanitra tokana ao amin’ny Baiboly hebreo dia matetika tononina amin’ny anarana hoe El. Io no anaran’ny andriamanitra fara-tampon’ny mponina tao Kanana izay noraisin’ny Hebreo koa ho anaran’ny andriamaniny rehefa tonga tao Kanana izy ireo. Ny anaran’ny andriamanitry ny Hebreo dia tsy azo tononina, fa nosoratana fotsiny amin’ny litera hebreo efatra izay azo adika amin’ny litera latina hoe Yhwh. Ny fanambaran-tenan’i Yahweh dia niseho tamin’ny fotoana nahitan’i Moizy an’ilay roimemy mirehitra nefa tsy nety levona izay nilazan’Andriamanitra hoe “Izaho no ilay misy” (Eks. 3.14 ao amin’ny Baiboly Masina). Ny Baiboly dia maneho fa i Yahweh ihany no misy fa ny andriamanitra hafa dia tsy misy. Ity fanambaràna ny maha tokana an’i Yahweh ity dia niaraka tamin’ny fivoahan’ny Zanak’i Israely avy ao Ejipta.

Monoteisma ao amin’ny fivavahana kristiana

Ny Kristiana dia monoteista nefa misy fahasamihafana amin’ny finoan’ny Hebreo ny finoany an’Andriamanitra.

Ny maro amin'ny Kristiana dia mino fa Andriamanitra dia “Telo Izay Iray” na Trinite: izany hoe Andriamanitra tokana manana persona telo.Ny hoe persona dia tsy nataon’ny teolojiana miteny malagasy hoe tena fa nionona amin’ny fanagasiana ny teny latina hoe persona na ny teny frantsay hoe personne na ny teny anglisy hoe person izy ireo.

Tsy mifanaraka amin’ny monoteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan’ireo niforona avy amin’ny Reformasiona (na Reforma) izay tsy manaiky ny Trinite. Izy ireo dia manohana ny atao hoe onitarisma – izany hoe Andriamanitra dia tsy persona telo fa tokana. I Fausto Socin dia namorona ny fiangonana manohitra ny Trinite tao Eoropa Atsinanana atao hoe “Rahalahy Poloney”. Ny onitarisma dia niitatra tamin’ny taonjato faha-19 tany amin’ireo firenene anglo-saksona sy tany Amerika Latina. Maro koa ireo fivavahana kristiana izay manohitra ny Trinite – ka isan’ireny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Monoteisma ao amin’ny fivavahana silamo

Ny fivavahana silamo dia monoteista sahala amin’ny fvavahana jiosy. Ny anaran’Andriamanitra dia Allah. Izany m ahatokana an'Andriamanitra izany no atao amin'ny teny arabo hoe Tawhîd izay hamafisina amin'ny fanekem-pinoana (arabo: Shahâda) hoe: "Manambara aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary i Mohamady no irak'Andriamanitra".

Jereo koa: