Bokin' i Ezekiela: Fahasamihafan'ny versiona
Pejy vaovao: boky ao amin'ny Baiboly |
k Loharano |
||
Andalana faha-38: | Andalana faha-38: | ||
* [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan'i Joany]] |
* [[Apokalypsin'i Jaona|Apokalipsan'i Joany]] |
||
== Loharano == |
Endrik'io pejy io tamin'ny 12 Febroary 2018 à 16:53
Ny Bokin’i Ezekiela dia boky ao amin’ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Milaza fitsarana sy fandrahonana an’ireo Israelita ny faminaniana raha mbola tsy rava ny Fanjakan’i Joda, fa faminaniana ny fanamelohana ireo firenena mpampahory ny vahoakan’Andriamanitra sy fanantenana ny hiverenan’ny voninahitr’i Isiraely kosa no vontoatin’ny faminanianana nandritra ny Fahababoana tany Babilonia. Ho tsaraina amin’ny asa nataony avy ny olombelona tsirairay sady hisy ny fitsanganan’ny maty ho velona. Haorina fanindroany ny Tempoly. Izany dia fahitana apokaliptika.
Isan'ny atao hoe Mpaminany lehibe ao amin'ny sokajin'ny Bokin'ny mpaminany ao amin'ny Baiboly ny Bokin'i Ezekiela, fa isan'ireo atao hoe Nevi'im aharonim ("Mpaminany taoriana") izy ao amin'ny fizaràna faharoan'ny Tanakh atao hoe Nevi'im.
Ny fanoratana ny boky
I Ezekiela
Mpisorona tao Jerosalema i Ezekiela. Nentina natao sesitany tany Babilonia koa izy niaraka tamin’ireo Jiosy hafa avy any Joda tamin’ny fotoan’ny Fahababoana, tamin’ny andron’i Dariosa Lehibe mpanjakan’i Persia tany amin’ny taonjato faha-6 tal. J.K.
Nofidin’Andriamanitra ho mpaminany ho an’ireo babo tany Babilona sy ireo sisa tavela tao Jerosalema izy. Nanomboka tokony ho tamin’ny taona 597 tal. J.K. nandritra ireo taona faramparan’ny Fanjakan’i Joda sady nifarana tamin’ny 570 tal. J.K. ny asa faminaniany. Ataon’Andriamanitra hoe "zanak’olona" i Ezekiela.
Ny mpanoratra ny boky
Ny lovantsofina dia manao an’i Zakaria ho nanoratra ny Bokin’i Zakaria. Nefa ny mpikaroka momba ny Baiboly sasany dia milaza fa tsy olon-tokana no nanoratra io boky io fa olona maro tamin’ny fotoana samihafa. I Pohlmann[1] dia milaza fa ny toko voalohany hatramin’ny faha-33 dia nosoratan’ilay mpaminany fa ny faha-34 hatramin’ny 48 dia soratra nanatevanana taty aoriana tao Babilona[2].
Ny firafitry ny boky
Ny fizaràn’ny boky
Azo zaraina dimy ny Bokin’i Ezekiela :
- Hitan’i Ezekiela ny voninahitr’Andriamanitra (1 – 3)
- Manakiana sy mandrahona an’ireo Israelita i Ezekiela (4 – 24)
- Hotsarain’Andriamanitra ireo firenen-kafa nampahory an’i Israely (25 – 33)
- Fampiononana sy fampanantenana ny vahoakan’Andriamanitra (34 – 39)
- Ny ho endriky ny Tempoly faharoa sy ny firenen’i Isiraely amin’ny hoavy (40 – 48)
Ireo lohahevi-dehiben’ny boky
- Ny fahitana ny amin’ny kalesin’Andriamanitra
- Faminaniana manameloka an’i Jerosalema
- Faminaniana manameloka ireo forenena hafa
- Ny amin’i Goga sy i Magoga
- Ilay Lohasahan'ny taolam-paty
- Ny fahitana ny amin’ny Tempoly
Jereo koa :
Loharano
- ↑ K.-F POHLMANN, Ezechielstudien. Zur Redaktionsgeschichte des Buches und zur Frage nach den ältesten Texten (BZAV 202), Berlin/New-York, 1992.
- ↑ Introduction à l'Ancien Testament - Textes édités par Thomas Römer, Jean-Daniel Macchi et Christophe Nihan - Éditions du Cerf - (ISBN 2-830-91112-1)