Evanjelista: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Epìdosis (dinika | fandraisan'anjara)
k Category
Andalana faha-18: Andalana faha-18:
* [[Apostoly]]
* [[Apostoly]]
* [[Filazantsara apokrifa]]
* [[Filazantsara apokrifa]]

[[Sokajy:Filazantsara]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 15 Oktobra 2017 à 13:07

Evanjelista na Evanjelistra no iantsoana ireo olona nanoratra ny Filazantsara na Evanjely efatra (Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny Testamenta Vaovao ao amin'ny Baiboly. Ny roa ihany no anisan'ny Apostoly roa ambin'ny folo dia i Matio sy i Jaona. I Marka sy i Lioka dia tsy isan'ny Apostoly roa ambin'ny folo. Ny hoe evanjelista dia olona mpampiely vaovao mahafaly (euangelion).

Ireo Evanjelistra

Matio

Mpamory hetra talohan'ny naha-Apostoly azy i Matio. Isan'ireo Apostoly roa ambin'ny folo izy. Araka ny lovantsofina kristiana dia izy no nanoratra ny Filazantsara voalohany izay mitondra ny anarany. Tsy mitonon-tena ho nanoratra ny Filazantsara araka an'i Matio anefa i Matio. Maro anefa ireo mpandalina momba ny Baiboly izay milaza fa olona maro no nanoratra.

Marka

Mpanara-dia akaiky an'i Simona Petera sy an'i Paoly Apostoly i Marka fa tsy isan'ireo Apostoly roa ambin'ny folo lahy. Jaona Marka koa no fiantsoana azy. Ny lovantsofina kristiana dia ilaza azy fa nanoratra ny Filazantsara araka an'i Marka. Tsy mitonon-tena ho nanoratra ny Filazantsara faharoa nampitondraina ny anarany i Marka.

Lioka

Mpitsabo no asan'i Lioka. Araka ny lovantsofina kristiana dia izy no heverina ho nanoratra ny Filazantsara araka an'i Lioka izay nataony ho an'i Teofilo. Izy koa no heverina ho nanoratra ny Asan'ny Apostoly sady namana akaikin'i Paoly Apostoly.

Jaona

I Jaona Evanjelista dia heverina ho ilay "mpianatra tian'i Jesoa indrindra", isan'ireo Apostoly roa ambin'ny folo, tsy voatonona anarana ao amin'ny Filazantsara arak an'i Jaona izy amin'ny maha mpanoratra azy. Heverina ho nanoratra ny Apokalypsin'i Jaona sy ireo Epistily voalohany sy faharoa ary fahatelo mitondra ny anarany koa izy. Betsaka anefa ireo mpikaroka momba ny Baiboly izay milaza fa olona maro no nanatanteraka ny fanoratana ny tsirairay amin'ireo boky ireo.

Jereo koa