Alemaina: Fahasamihafan'ny versiona

Avy amin'i Wikipedia
Contenu supprimé Contenu ajouté
Xqbot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.3) (Rôbô : fanovana an'i dz:ཇཱར་མ་ནི་ à dz:ཇཱར་མ་ནི
MahdiBot (dinika | fandraisan'anjara)
k r2.7.1) (Rôbô Nanova: pag:Alemanya
Andalana faha-276: Andalana faha-276:
[[os:Герман]]
[[os:Герман]]
[[pa:ਜਰਮਨੀ]]
[[pa:ਜਰਮਨੀ]]
[[pag:Germany]]
[[pag:Alemanya]]
[[pam:Alemania]]
[[pam:Alemania]]
[[pap:Alemania]]
[[pap:Alemania]]

Endrik'io pejy io tamin'ny 30 Janoary 2013 à 03:53

((de))
((de))
Repoblika federaly ny Alemaina ((mg))
Sainan'i Alemaina Armoiries de l'Allemagne
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Einigkeit und Recht und Freiheit
(allemand)
Union, droit et liberté
Teny ofisialy Alemana
Renivohitra Berlin
52°31′N 13°25′E / 52.517°N 13.417°E / 52.517; 13.417
Tanàna ngeza indrindra Berlin
Fitondrana sy governemanta
 - Presida federaly
 - Chancelier fédéral
Repoblika federaly
Joachim Gauck
Angela Merkel
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 63
357 027 km²
2,18%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2007)
 - hakitroka
faha 14
82 314 906 mpo.
231 mpo./km²

Endrika:Formation pays

Anaran'ny mponina Allemana
IDH (2005) Mihakatra 0.935 (ambony) faha 22
Sandam-bola Euro (EUR)
Faritr'ora UTC +1 (été +2)
Hiram-pirenena Deutschlandlied, antema faha telo ny (Einigkeit und Recht und Freiheit)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+49

Ny Alemaina na Repoblika federalin'i Alemaina amin'ny fampiasana ofisialy, dia firenena ny Eoropa andrefana. Manana amorontsiraka amin'ny Ranomasina Avaratra ny Alemaina, mizara sisin-tany amin'i Danmarka, Polonia, Repoblika Tseky, Holandy, ny Belzika, Frantsa, Soisa, ary Aotrisy.

Ny alemaina dia repoblika federaly, misy faritra 16 any (Bundesländer na oficial Länder amin'ny fiteny Alemana).

Tamin'ny andro taloha, ny Alemaina tahaka ny fantantsika amin'izao fotoana izao dia printsipaotia miisa mahery ny telonjato mizaka tena avokoa.

Tao amin'ny Empira Jermanika Masina ny Alemaina tamin'ny 962 hatramin'ny 1806, tao anatin'ny Kaonfederasiona Jermanika izy tamin'ny 1814 hatramin'ny 1866.

Tamin'ny nahafaranan'ny ady Frankô-jermanika tamin'ny 1871, Lasa zana-tany Prosy (jereo Prusse amin'ny teny frantsay) izy ary ny empira Prosy no nampiray an'i Alemaina tety aoriana : tamin'izany fotoana izany ny andron'ny Reich faha II na Reich Wilhelminiana. Ny faharesen'ny Alemaina tamin'ny Ady Lehibe Voalohany tamin'ny 1918 dia nampilatsaka ny Reich Wilhelminiana ary nitondra ny fahatongavan'ny Repoblika tao Alemaina Nanomboka ny Reich faha III tamin'ny taona 1933 faha nihongana ilay izy tamin'ny taona 1945, teo arinan'ny Ady Be faha II.

Lasa petrahan'ny tafiky ny firenena nandresy azy ny Alemaina teo arinan'ny Ady Lehibe Faharoa, ary tamin'io fotoana io no nitranga ny RFA na Repoblika Federaly Alemana sy ny RDA na Repoblika Demokratika Alemana.

Nikambana ny RFA sy ny RDA tamin'ny taona 1990 (3 oktobra) tao aorian'ny nahalatsahanan'ny Rindrin'i Berlin. Berlin ny renivohiny nanomboka tamin'ny taona 1991 hatramin'izao.

82 tapitrisa no isam-ponina tamin'ny taona 2007, ary izy no firenena be mponina indrindra ao anatin'ny Vondrona Eoropeanina.

Tantara

Ilay teny Deutschland no manome ilay tantara lava an'i Alemaina. Nisy tamin'ny vohalohany ilay teny hoe thiuda midika "mponina" ; thiudisk no mpamaritra anarana. Nisoloin'i Romana Theodischus ilay teny ary aveo nivadika ho Teudischus. Nivadika Diutisca izy tamin'ilay fiteny alemana taloha (na koa fiteny Todeska). Nivadika todesche izy amin'ny fiteny frantsay ary tetỳ aoriana dia nivadika tudesque. Ny fiteny italiany dia mampiasa ny teny tedesco rehefa manonona ny alemana

Toe-tany

saritany ara-toe-tan'i Alemaina

Tsy manana contrainte mikasika ny jeografia sy ny toe-tany ny Alemaina. Tany lemaka ny any avaratra, eo anivo dia misy tendrombohitra efa tranainy sady ambany haavo, any atsimo misy ny tendrombohitra alpina. Any avaratra ihany ny alemaina no manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika.

Ny Alemaina dia firenena manan-danja amin'ny lafin'ny toe-karena sy amin'ny lafin'ny isam-ponina (demôgrafia).

Any andrefan'i Alemaina no misy ny Eoropa Rhinaina, faritany anisan'ny be orinasa indrindra ao Eoropa ary anisan'ny manan-karena indrindra ao Eoropa sy manerana ny tany io faritany io.

Niovaova matetika ny sisitanin'i Alemaina tamin'ny taonjato faha 20. Namarana ny Empira Alemana ny faharesen'i Alemaina tamin'ny taona 1918. Nahenan'i Fifaneken'i Versailles ho 468 776 km2 ny velarantan'ny firenena alemana (nefa 540 848 km2 ny velarantaniny teo alohan'io). Verin'i Alemaina ny faritra Alsace-Lorraine. Sarahin'ny Polonia ny Prosy Atsinanana eo amin'ny faritra manodidon'i Gdansk (Dantzig amin'ny teny alemana).

Tao aorian'ny faharesen'i Alemaina tamin'ny 1945, eo amin'ny tany alemana ny tafiky ny firenena nandresy an'i Alemaina. Ary any atsinanana, misy alemana 11 tapitrisa mahery no roahana satria lasan'i Polonia ny faritra atsinanan'i Alemaina miaraka amin'i Prosy Atsinanana. Ny vokatry ny Ady Mangatsiaka dia ny fisarahan'ny faritra Andrefana atao hoe Repoblika Federaly Alemana sy ny faritra Atsinanana atao koa hoe Repoblika Demokratika Alemana ho lasa firenena roa samihafa. Ny fiainana ao amin'ny RDA dia mitovitovy amin'ny firenena izay anjadian'i FRSS.

Tamin'ny 9 Novambra 1989, Narodana ny rindrin'i Berlin natsangan'ny Sovietika tamin'ny 1961, herin-taona teo aorian'io, tamin'ny 1990, nanjavona ny RDA. Io firenena vaovao io indray dia voatery mampanjary any amin'ny faritra any atsinanana noho ny fahanteran'ny RDA taloha amin'ny lafiny ara-toe-karena ary amin'ny lafin'ny foto-drafitr'asa.

Ankehitriny, dia mbola misy tsi-fitoviana ny lanja ara-toe-karen'ny faritany alemana any atsinanana tsy ny faritany alemana any andrefana noho ny fisarahana nisy tamin'ny Ady Mangatsiaka.

Rohy Ivelany

General

Facts and figures

Jereo Koa

Lahatsoratra ilaina

Endrika:Link FA Endrika:Link FA Endrika:Link GA